Venezoela: Nodimandry i Hugo Chávez

Io hariva io (05/03/2013), no nambaran'i Nicolás Maduro, filoha lefitra, ny fodiamandrin'ny filohan'i Venezoela, Hugo Chávez Frías.

Nararin'ny homamiadana efa hatramin'ny 2010 ny Filoha Chávez ary efa nanaraka fitsaboana samihafa tany Kiobà efa ho in-4 raha kely indrindra. Taorian'ny nandreseny tamin'ny fifidianana tamin'ny 7 Oktobra 2012, izay niantoka indray ny fotoam-piasàny manomboka ny 2013 hatramin'ny 2019, nambarany tamin'ny Desambra fa mila miverina any Kiobà izyn hiatrika fandidiana iray hafa. 80 andro mahery taty aoriana, ka tao anatin'izany izy tsy niseho vahoaka mihitsy, niharatsy ny toe-pahasalamany vokatry ny fahasarotana tany amin'ny taovam-pisefoany sy ny fihazakazaky ny homamiadana.

Avy hatrany dia naneho hevitra tamin'ilay fanambaràn'i Maduro ireo mpampiasa Twitter.

@marujatarre [es] manoratra hoe:

@marujatarre: Muere el hombre y comienza la leyenda, eso es inevitable.

@marujatarre: Maty ny lehilahy ary manomboka ny tantarany, tsy azo ihodivirana izany.

Hugo Chávez Frías

Hugo Chávez Frías, sary avy amin'i Bernardo Londoy ampiasàna ny lisansa Creative Commons  (CC BY-NC-SA 2.0)

Mardi (@mardicienta) [es] maneho fisaorana an'i  Chávez:

@mardicienta: No me alcanzará la vida para agradecerte lo que hiciste por nosotros, mi comanche. Tu siembra florece eternament en esta Revolución de amor!

@mardicienta: Tsy ho ampy mihitsy ny fisaorako anao amin'ireo rehetra nataonao ho anay, ry kamaradiko. Hamelana mandrakizay eto amin'ity Revolisionan'ny fitiavana ity anie ny voa nafafinao!

Raha i @LaDivinaDiva [es] kosa manambara hoe :

@LaDivinaDiva: y ojala todos entendamos q son timepos de bajarle 2 a confrotaciones innecesarias y tratemos de resolver en paz y armonia las diferencias

@LaDivinaDiva: ary aoka isika hanantena fa takatsika rehetra hoe fotoana izao hanadinoana ireo fifandonana tsy misy ilàna azy sady hiezaka isika hamaha ny fifandirantsika ao anaty fandriampahalemana sy firindràn'ny fiaraha-monina

Nitondra an'i Venezoela nanomboka ny 1999 hatramin'ny 2013 i Hugo Chávez. In-4 nandresy taminà fifidianana ho filoham-pirenena izy ary nandrafitra Lalam-panorenana vaovao. Fantatra manerana izao tontolo izao ny fomba fitantanany amin'ny fotokevitra manohitra ny imperialista izay nanakiana be an'i Etazonia, na dia nitoetra hatrany ho mpamatsy solika an'i Etazonia aza ny fireneny.

Nitondra sosokevitra maro samihafa ihany koa izy mikasika ny resaka fifanatonan'ireo any amin'ny faritra Amerika LAtina sy Karaiba. Tao an-tanindrazany, nanokana betsaka ny politikany mitodika amin'ny vahoaka ho any amin'ireo saranga faran'izay mahantra eo amin'ny fireneny izy, tamin'ny alalan'ny fampiasam-bola ho an'ny sosialy vatsian'ny volabe azo avy amin'ny famarotana solika nandritra ireo taona nitondràny.

Ao Venezoela, tsy azo ialàna ny resaka mikasika ny fisianà tendro ara-politika roa mifanohitra izay nampizarazara ny Venezoeliana, eo amin'ireo mpomba sy mpanohitra an'i Chavez nandritra ireny taona maro ireny, mahatonga ny fanakàrana ireo zava-mitranga ho sarotra takarina kokoa noho ny fisian'ny fomba fijery roa tsy mitovy. Na eo aza io, ny fodiamandrin'ny Filoha dia fotoana iray ho fisaonam-pirenena.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.