Dima Al Khatib Mahatsiaro an'i Hugo Chavez

Ny sasany tia azy, ny hafa mankahala azy, saingy mitana anjara toerana manokana ao amin'ny fon'ilay mpanao gazety Arabo Dima Al Khatib ny filoha Venezoelana farany Hugo Chavez. Amin'ny maha-lehiben'ny Al Jazeera azy amin'ny sampana any Amerika Latinina, dia nanana fifandraisana akaiky tamin'i Chavez ity mpanao gazety Syriana fa PPalestiniana tamin'ny fahaterahany ity, nandritra ny folo taona nipetrahany tany Caracas. Al Khatib, izay efa mampianatra any Dubai ankehitriny, no mampiseho izany fifandraisana izany tao anatin'ny andian-tsioka rehefa re ny fahafatesan'ny filoha tamin'ny Talata [5 Marsa 2013].

Ankoatra ny sioka nataony, niverina tany amin'ny efi-trano fandraketa-peo i Khatib hanome andian-tafatafa momba an'i Chavez.

Hoy ny fanazavany ao amin'ny Twitter [ar]:

تعرفت على الراحل أوغو تشافس في سبتمبر أيلول ٢٠٠٢ في كاراكاس، أي قبل أكثر من ١٠ سنوات. أجريت معه ٥ لقاءات خاصة ورافقته في ترحاله حول العالم

@Dima_Khatib: Vao nahafantatra an'i Hugo Chavez aho tamin'ny Septambra 2002 tao Caracas, mihoatra ny folo taona izao. Nitarika tafatafa manokana dimy niaraka taminy aho ary nandeha tamin'ny dia rehetra nataony nanerana izao tontolo izao

Nampiany:

#ذكريات_تشافس كنتُ الصحفية الأجنبية الوحيدة، وأحياناً حتى الصحفية الوحيدة على الإطلاق التي كانت ترافق تشافس في ترحاله داخل فنزويلا وخارجها

@Dima_Khatib: Izaho irery no mpanao gazety vahiny, ary indraindray aza ny hany mpanao gazety, niaraka tamin'i Chavez nandritra ny diany tao Venezuela sy tany ivelany

Maro no mahatsiaro ny fifanakaikezan'i Khatib tamin'i Chavez. Misioka ny mpanao gazety Toniziana tounsiahorra:

تذكرت لقاءكما انت وشافيز في مقر الجزيرة…. ذلك الود والبساطة التي جمعتكما. الصحافية والزعيم جنبا الى جنب دون بروتوكولات


@tounsiahorra
: Nahatsiaro ny fihaonanao tamin'i Chavez tao amin'ny foiben-toeran'ny Al Jazeera [ao  Doha, Qatar] aho. Finamanana sy fahatsorana no nifandray taminao. Ilay mpanao gazety sy ilay mpitarika, nifanila, tsy nisy arofenitra narahina

Nizara sombima-pampahalalàna momba an'i Chavez ao amin'ny kaonty Twitter-ny i Khatib, kaonty nalaza nandritra ny lohataona fitroarana Arabo. Nanontany izy:

@Dima_Khatib: Who would have thought that Fidel Castro would stay.. and Hugo Chavez would go ?

Iza no nieritreritra fa mbola hijanona i Fidel Castro… ary ho lasa i Hugo Chavez ?

Dima Al Khatib speaks to Al Jazeera about Chavez following his death on Tuesday. Photograph from Khatib's Instagram

Dima Al Khatib niresaka tao amin'ny Al Jazeera momba an'i Chavez taorian'ny fahafatesany tamin'ny talata. Saripikan'i Khatib ao amin'ny Instagram

Ho valin'ny fanontaniana raha tia azy ny vahoakan'i Venezoela, namaly i Khatib:

@Dima_Khatib: Many do. Others don't. But yes he is a popular guy. You either love him or hate him. Very polarising

Maro no tia. Ny hafa tsia. Saingy ekena fa lehilahy malaza izy. Na tia azy ianao na mankahala azy. Tena mampisara-kevitra

Ao amin'ny sioka hafa, manontany izy raha misara-kevitra ihany koa ny Arabo. Izao no nosaininy:

نعم أعرف .. نحن العرب محتارون .. نحزن أم لا نحزن على رحيل تشافس؟.. هو دعم فلسطين كما فعل قليلون في عصرنا، ثم لم يدعم الثورات العربية

@Dima_Khatib: Eny, fantatro. Misaritaka ny hevitry ny Arabo. Tokony halahelo ve isika sa tsia amin'ny fahalasanan'i Chavez? Anisan'ny tena vitsy nanohana ny Palestiniana amin'izao vanim-potoana izao izy. nefa averina indray, tsy nanohana ny fitroarana Arabo izy.

Raha ny momba ny fahatsiarovany an'i Chavez, dia mbola miady saina amin'ny hanoratana boky [na tsia] i Khatib.

قد أكتب يوماً ما عن تجاربي مع تشافس .. والأحاديث التي دارت بيني وبينه عن قضايا كثيرة .. على مدى عشر سنوات .. وقد لا أكتب .. لا أعرف صراحة

@Dima_Khatib: Mety hanoratra boky momba ny zava-niainako sy ny adi-hevitra isan-karazany nifanaovako tamin'i Chavez aho.. nihoatra ny 10 taona .. ary mety tsia. Tsoriko fa tena tsy fantatro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.