Misaona Ny Fahafatesan'ny Filoha Chávez ny Kiobàna

Lahatsoratra [es] nosoratan'ny La Redacción IPS Cuba, navoaka voalohany tao amin'ny Sampan-gazety IPS-Inter

Olom-pirenena marobe no naneho ny fahakiviny sy ny alahelony tamin'ny alalan'ny media sosialy noho ny fahafatesan'i Hugo Chávez.

“Mbola mampangovitra anay hatrany ny vaovao, sarotra inoana. Lalina sy mandratra fò ny alahelo, saingy tsy maintsy manome voninahitra ireo faminaniana sy ezaka vitan'iray amin'ireo lehilahy goavana ao amin'ny kaontinanta i Amerika amin'izao fotoana izao, sy ho amin'ny hoaviny manokana. Araka ny filazan'i Maduro, misaotra, Komandao Chávez, misaotra…”, nalefany tao amin'ny Facebook Yoelvis Lázaro Moreno Fernández [es]   taorian'ny fandrenesana fa namoy ny ainy ny Filoha Venezoeliana, Hugo Chávez Frías.

Tamin'ny Talata atoandro teo, tamin'ny 4:25 hariva, nanambara avy ao amin'ny Hopitaly Miaramila  “Carlos Arvelo” ao Caracas ny Filoha Lefitra mpanatanteraka Nicolás Maduro, fa namoy ny ainy i Chávez. Tafaverina eto Caracas ny filohan'i Venezoeliana nanomboka tamin'ny 18 Febroary, ary tamin'ny Talata 5 Martsa, nisy ny fanambarana fa noho ny aretim-pisefoana no nahavoa azy indray.

Ho an'ilay mpianatra asa fanaovan-gazety Jessica Anthuané Jiménez [es]: fahaverezana tsy hay onerana izao. “Saingy tokony hiseho ho maodely ho an'ny vahoaka Venezoeliana ny mpandimby azy mba hanohy ny fandrosoana ho azy ireo… ho fahatsiarovana ny Komandy Chávez!”, hoy izy nanoratra tao amin'ny Facebook-ny.

El presidente venezolano murió a las 16.25 en el Hospital Militar de Caracas Archivo IPS Cuba

Filoha Venezoeliana namoy ny ainy tamin'ny 16.25 tao amiin'ny hopitaly Miaramila Caracas. IPS Cuba.

“Nahafinaritra ny fiainana, endrey ny raozy. Minitra fohy teo aloha, nitsiky ilay zazakely… tonga tamin'ny alalan'ny fikopahan'elatra sy niserana teo amin'ny handriko… saingy ankehitriny, mampalahelo loatra ny fiainana sy vita hatreo…”, hoy i Yuliet Pérez Calaña [es].

Nandray ny tononkiran'iray amin'ireo mpamoron-kira Kiobàna malaza indrindra, Gerardo Alfonso, naneho ny alahelony noho ny fahafatesan'ny Filoha Venezoeliana ilay mpanao gazety Melbys Nicola. “Komandy Chávez!!! Mbola nofin'ireo maro izy amin'ny fampifandraisana ny olona ho namana hampifanakaiky antsika isan'andro! Mandria am-piadanana, amin'ny fiainana mandrakizay!”, hoy izy.

Mbola tao amin'ny Twitter ihany, marobe ireo fihetsika feno firaisam-po ho an'ny fianakavian'i Chávez, ary tsapa tao ihany koa ny alahelo tamin'ireo sioka nalefan'ireo Kiobàna marobe.

“Teraka indray tahaka ireo olombelona manana ny maha-izy azy #NuestraAmérica [Amerikantsika] i #CHAVEZLIDER [Mpitarika Chavez]. Nampiray antsika izy, nampiseho antsika ny lalan-kaleha sy ny hanazavana ny lalana izy”, izany no nambaran'ny @BlogueroCubano [es]. Nandritra izany, nanamarika ny fomba hamafana ny alahelo i @ErnestoGuerra21 [es] “tokony hihamafy hery isika mba hanohy ny asan'i #Chávez teo amin'ny fiainany”.

Paola Rodríguez, ‏@cubamar [es] nanambara tao amin'ny Twitter: “Andriamanitra ô, mampalahelo izao, malahelo aho noho ny fahalasan'i Chávez… mampalahelo izy!!! :´´(“.

Mpisera hafa nanova ny sariny tao amin'ny Facebook mba hiray alahelo amin'ny fahafatesan'i Hugo Chávez. Anisan'izany i Milena Recio, Yosnovi Frias Rivera [es] ary Yurisander Guevara Zaila [es], izay nanambara hoe “mampatahotra anay izao tontolo izao tsy misy an'i Hugo Chávez. VELOMA, KOMANDY!!!!!!!!!!!!!”.

Tao amin'ny Facebookn'i Yelanys Hernández Fusté's [es], mpanao gazety avy ao amin'ny Juventud Rebelde, hoy izy nilaza: “nandao antsika ny olo-manga. Mampalahelo ny fahalasan'i Chávez, saingy mbola mijanona ao amin'ireo asa soa vitany izy, sy ny kabariny politika, ho antsika”,

Nanipika i Ariel Torres [es] fa “tsy hiaraka amintsika intsony ny vatan'i Chávez… ratra lehibe sy mafy ho an'ny vahoakan'ny Amerika izany. Lehilahy goavana nitolona hatrany ho amin'ny revolisiona sy ny fahalalahan'ny vahoaka. Ho ela velona i Chávez! Na dia izany aza, tsy azo lazaina fa maty ireo izay maty ho an'ny fiainana. Tokony horaisintsika ho mariky ny zavatra tsara, ho mariky ny faharetana sy ny fitiavana ho an'ny Tanindrazana foana i Chávez“. 

Tao anatin'ny Facebook ihany, filôzôfy sy mpikaroka Eliades Acosta ‏ [es] nangataka mba tsy hampiala sasatra ny Twitter, “fitaovam-piadiana fantatr'i Chávez ny fampiasana azy hiadiana amin'ny ivy maharikoriko sy tsy maha-te-hijery [nefa] manaratsy azy. Tsy hahavoa ireo”, hoy izy.

Tahaka izany ihany koa, nanamarika i @amayaterry fa “nandao ny fiainana i Hugo Chávez… fa tsy ny Revolisiona Bolivariana!! Miaraka aminao foana i Amerika Latina, ry Komandy”, hoy izy nanipika.

Ho an'i @lolitovc: “Tokony hankany amin'i Venezoelà avokoa ny firaisankina rehetra,  fanomezam-boninahitra tsy manam-pitsaharana sy manankery ho an'i Chávnez :’-(“, hoy izy tao amin'ny Twitter.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.