· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Marsa, 2013

Tosika Orogoaiana Hisian'ny Fitaterana Maharitra

  05 Marsa 2013

Manangona sonia 10.000 ireo teratany Orogoaina mba hanerena ny governemantan-dry zareo hanolotra fotodrafitrasa mifanaraka amin'ny hisian'ny fitaterana maharitra, manomboka amin'ny faritra natokana ho an'ny bisikilety. Kendrena amin'ity fandraisana andraikitra ity ny handinihana momba ny bisikilety ao anatin'ny drafitra lavitr'ezaka nataon'ny firenena ho toy ny fitaovam-pitaterana maharitra.

LAHATSARY: Ao Bolivia, Mitantara Fohy Ny Fiarahamonina Ao Aminy Ireo Vehivavy Teratany

  03 Marsa 2013

MPitarika amin'ny vondro-piaraha-monina teratany ao Cochabamba, Bolivia  i Marisol, izay voatery hifindra tao an-tanàna mba hitady zavatra mahasoa sy tsaratsara kokoa tahaka ireo vehivavy indizeny maro. Iray amin'ireo vehivavy maneho ny heviny ao amin'ireo andian-dahatsary fanadihadiana avy amin'i Periodismo Humano [es] momba ny vehivavy ao amin'ny fiarahamonina Boliviana izy. “Ianao vehivavy sady teratany no mahafadiranovana...

Mandray Ny Gadona Afrikana Ny Karnivaly Breziliana Any Salvador

  03 Marsa 2013

Nanerana an'i Bahia, Salvador ary natao tamin'ny toerana telo tao an-tanàna , izay nanintona mpizaha tany antsasakà tapitrisa nandritra ny andro nanaovana ny lanonana, ilay Fetibe Karnivaly breziliana, fety lehibe indrindra maneran-tany. Ny fiarovana ny kolontsaina Afro-Breziliana no tena fototry ny fetibe Bahiane sady lohahevitra ho an'ilay tantara malazan'i Pelourinho amin'ity taona ity ny hoe ‘Black Carnivals’.