Nameno tsikera an’arivony sady mandrahona amin'ny teny Persiana ireo “jiolahim-boto ao anaty aterineto” avy ao Iran tao amin'ny pejy facebook-n'i Lionel Messi, ilay Arzantina mpilalao baolina kitra, raha voafaritra tamin'ny Sabotsy 7 Desambra ireo ekipa hiatrika ny Tompon-daka eran-tanin'ny baolina kitra. Tafatambatra ho mpiray vondrona i Arzantina, Iran, Bosnie-Herzegovina ary Nizeria.
Betsaka amin'ireo tsikera no mampiasa teny tsy fampiseho masoandro.
Betsaka ireo Iranianina nizara tsikera sy bitsika miantso io fanafihana anaty aterineto io ho mahamenatra.
Nitoraka bitsika i Kargadan [fa]:
به نظر من دولت ایران و مارک زاکربرگ باید دست به دست هم بدن و فیسبوک رو از هموطنان عزیز پاکسازی کنن که این وسط آبروی بقیه ملت نره! #مسی
— ـكرگـ ـدنـ (@Rhino_x) December 7, 2013
Tokony hifandray tànana hanadio ny pejy Facebooki-n'ireo Iraniana i Zuckerberg [Ilay namorona ny Facebook] sy ny fanjakana Iranianina, mba hanavotana ny voninahitray.
Nitoraka bitsika i Sooskak [fa]:
همون بهتر فیسبوک فیلتره #مسی
— سوسکِ قاچاقچی (@Sooskak) December 7, 2013
Tsara raha voasivana ny Facebook [ao Iran].
Nitoraka bitsika i Baridya [fa]:
اگر همین فردا هم جمهوری اسلامی سقوط کنه خیلی سریع یه حکومت عالی جایگزین بشه باز هم 15-20سال طول میکشه تا فرهنگ این مردم درست بشه! #مسی
— Bardiya (@1Bardiya) December 7, 2013
Raha toa ka hiongana androany ny Repoblika Islamika, dia 15-20 taona vao hivoatra ny kolontsain'io firenena io.
Navoakan'i [fa] 5Char, bilaogera, ny sarin'ireo tsikera maniratsira ary nolazainy fa efa mahazatra izany ho anà taranaka notezaina teo ambanin'ny Repoblika Islamika.
Niteny i Andarbab, mpitoraka bilaogy iray hafa [fa]:
Miezaka ny hameno ny tsy fahampian'ny teny filamatra sy ny ompa any aminy ireo vahoaka ireo. Ireo olona ireo ihany no mihira ny ”Arodano i Etazonia!” nefa sady mbola manantena ny hahazo Karatra Maitso Amerikana. Manompa an'i Messi ry zareo, nefa mbola manantena ihany ny hahazo sary fahatsiarovana nalaina niaraka taminy.