Nalaza Haingana Ny Fifandraisan-Tanan'i Barack Obama sy Raúl Castro Tao Amin'ny Lanonam-Pahatsiarovana An'i Mandela

Captura de pantalla de la transmisión de Telesur

Pikantsarin'ny fihaonana teo amin'i Castro sy Obama navoakan'ny televiziona mahasahana an'i Amerika Latinina Telesur.

*Ny rohy rehetra dia mankany amin'ny pejy amin'ny teny espaniola ankoatra ireo izay marihana manokana.

Azo sary nifandray tanana tao amin'ny lanonam-pahatsiarovana an'i Nelson Mandela ny filoha Kiobàna, Raúl Castro, sy ny filohan'i Etazonia, Barack Obama. Nalaza haingana dia haingana ny sary. 

Araka ny BBC Mundo, “sambany no nisy izany fihetsika teo amin'ny mpitondra roa tonta izany niseho imasom-bahoaka rehefa nifahavalo nihoatra ny 50 taona ireo firenena roa ireo.” Vonona ato ny filazana hafa avy amin'ny BBC English.

BBC Mundo nanoritsoritra ny fomba “nandronjonan'i Obama tamin-tsiky ny tanan'i Castro rehefa nizotra ho eny amin'ny lampihazo hanao kabary ho fanomezam-boninahitra ny Madiba izy” nandritra ny lanonana tao amin'ny kianjabe FNB tao Johannesburg ho fahatsiarovana ilay mpitarika anti-apartheid.

Tsy niandry ela ny fanehoan-kevitra rehefa nivoaka tamin'ny tambajotra sosialy ny fifandraisan-tanana. Ao amin'ny Facebook, ny mpanao gazety sady bilaogera, Jorge Legañoa, nizara ny sarim-pifandraisan-tanana raha niteny hoe:

En Twitter revienta esta foto. Nuestro presidente Raúl Castro y Barack Obama se saludan en el ‪#‎MandelaMemorial.‬ La pregunta del millón: ¿qué se habrán dicho? ¿solo un saludo, o algo más?

Nalaza haingana ato amin'ny Twitter ity sary ity. Barack Obama sy ny filohantsika Raúl Castro nifampiarahaba tao amin'ny #MandelaMemorial. Ity ny fanontaniana hahazoana iray tapitrisa dolara: Inona no mety nifampiresahan-dry zareo? Mifampiarahaba fotsiny… sa misy zavatra hafa koa?

Ao amin'ny pejy Facebookn’ny fahitalavitra miorina ao Caracas, ny tambajotran'ny televiziona manerana an'i Amerika Latinina Telesur, no nampafantatra ny heviny ihany koa ny mpiserasera:

Un saludo no me sorprende, lo que realmente me sorprendería es que Obama decidiera suprimir el bloqueo a Cuba, consideró Maai Ortiz.

“Tsy nahavaka ahy ny fihetsika tahaka ireny, ny mety ho nahavaka ahy dia raha nanapa-kevitra ny hanaisotra ny ankivy atao amin'i Kiobà i Obama”, no hevitr'i Maai Ortiz.

Aún después de muerto Mandela sigue marcando caminos de entendimiento y paz…, dijo Laura Isabel Alemán.

“Eny fa na dia ny fahafatesan'i Mandela aza dia manohy mampiseho ny lalan'ny fandriampahalemana sy ny fifankahazoana…”, hoy i Laura Isabel Alemán.

Sin duda es histórico! Y para honrar a Mandela, Obama debería levantar el bloqueo, cree Alejandra Dixon.

“Tsy isalasalana fa manantantara izaoc! Ary ho fanomezam-boninahitra an'i Mandela, dia tokony hanaisotra ny ankivy i Obama”, hoy i Alejandra Dixon nanampy.

Ny tranga dia notaterin'ny Huffington Post (EN), AP, Telesur ary ny gazety espaniola El Mundo, ary maro ihany koa ny avy amin'ny famoaham-baovao iraisampirenena hafa.

Tamin'ny Novambra, ny Sekreteram-Panjakana Etazonia, John Kerry, nanambara fa nisy ny tombontsoa niraisan'ny fireneny sy i Kiobà izay mety hitondra mankany amin'ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta rahatrizay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.