Fahatapahana Herinaratra Faobe Mahatonga Ireo Arzantina Ho Fatin-kafanàna

[Mankany amin'ny pejy miteny Espaniola ny rohy rehetra.]

Hatrany amin'ny tapaky ny Desambra 2013 dia marobe ireo faritàny ao Arzantina no niaina fahatapahana herinaratra, izay vao mainka nanampy trotraka ny tsy fahazoana aina nateraky ny maripàna avobe tsy toy ny mahazatra. Buenos Aires no faritany tena voa mafy indrindra, nefa ny firenena manontolo no tratr'ilay hafanàna, miaraka aminà taha avo indrindra nitarika nankany amin'ny fitomboan'ny fanjifàna angovo. 

Taorian'ireo fanazavana mikasika ny tsy fisian'ny tabilao fitsinjaràna angovo ao Arzantina sy ny fanomezana ny raharaham-panjakana hotantanan'ny tsy miankina izay natao nandritra ny taona 1990, saika ny olom-pirenena rehetra mihitsy no mitaraina sy mitaky zavatra tsara kokoa. Na ny alin'ny Krismasy aza tsy afa-bela tamin'ny fahatapahana herinaratra. 

Tsy araka ny tokony ho izy ny valinkafatry ny governemanta manoloana ny zava-misy raha ny voalazan'ny bilaogin'i Gerardo Fernandez:

como que da cosita que a esta altura de los acontecimientos salgan el jefe de gabinete o el ministro de Planificación a hacerse los cojudos con amenazas a las empresas distribuidoras que, la verdad, nadie toma en serio y que si llegaran transformarse en una quita de licencia no cambiarían en mucho el panorama que estamos padeciendo.

Mankaloiloy ny hoe eo anaty vanim-potoana toy izao, ny lehiben'ny kabinetran'ny ministeran'ny fanajariana ny tany no tonga aminà teboka tahaka io sy manao fihetsika adala mampitahotra ireo orinasa izay mpaninjara angovo, izay mazava loatra fa tsy noraisin'ny olona ho resaka matotra, ary na dia ireo fanomezan-dàlana aza dia notsoahana koa, tsy hiova be manao ahoana akory raha ny fara-vodilanitry ny toe-draharaha zakaintsika.

Ny 28 Desambra, lasa lohahevitra noresahana be ho an-dry zareo Arzantina ny tenifototra #RenuncieCFK [Resign Cristina Fernández de Kirchner] hamoahany ny feony mikasika ny tsy fahampian'ny valinkafatra momba ny tsy fahampian'ny herinaratra, araka ny fijoroana vavolombelon'i Robsten:

#RenuncieCFK Tsy mampino hoe tsy manana jiro isika, efa tsy mba ny Tany Andalam-pandrosoana intsony kosa izao! 

 Nisy ihany koa ny hatezerana tamin'ireo manampahefana ao amin'ny governemanta lasa nandeha niala sasatra :

#RenuncieCFK Raha mijaly mizaka haizina ny olona, ny Sekreteran'ny Angovo kosa milalao golf http://t.co/lsCxHWIAJU

 Ary ny fahatapahana herinaratra any amin'ny tranon'ireo beantitra, araka ny bitsik'i Vale Anti K:

Sady tsy misy rano no tsy misy jiro ireo trano fitaizana beantitra. Ento eny an-dalambe.

Mandritra izany, ireo izay manohana ny governemanta dia namorona ny tenifototra #CFKTieneAguante [CFK TrueGrit] izay nankatoavan'i Moni AKD ny fitantanan'i Cristina Fernández de Kirchner:

Cristina, tokana ianao, ary ireo tsy mahalala na inona na inona izay androany mitaky ny hialànao anatin'ny telo taona ihany no mbola hiangavy anao hiverina eo indray. #CFKTieneAguante !!!!!

Nefa araka ny nosoratan'i Daniel, izy manohy manohana ny fandraisana an-tànan'ny Filoha Kirchner ny raharaha na eo aza ny fahatapahana herinaratra:

#CFKtieneAguante efa 3 andro tsy nisy jiro ary raha izao no misy rehefa hanohana ny lasitra handiavako 200 andro maninjitra tsy misy jiro, ho ela velona cfk, Nestor ary ho ela velona i Peron.

Hitohy hatramin'ny 1 Janoary 2014 ny hafanàna ambony be io, araka ny vinavinan'ny  Sampan-draharaham-Panjakana Mpandinika ny Toetrandro. Hitohy hatrany koa ve ny fahatapahana herinaratra?

Ho an'i Luciano Lugo, izy dia nibitsika sarintsarin-karatra Krismasy avy any amin'ny Orinasa mpamokatra Angovo any amin'ny faritanin'i Santa Fe (fantatra amin'ny hoe EPE):

Mirary fety sambatra ho anareo rehetra ny EPE! #OlaDeCalor pic.twitter.com/B48zeG4aAx

 (Sary kely an'i El Cipayo.)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.