Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Lasa “Toerana Masina ho an'ireo Trozona sy Fesotse (Dauphin)” i Orogoay

Fotos de

Sary nozarain'ny @PaipoUruguay tao amin'ny Twitter

 [Mandefa mankany aminà pejy amin'ny teny Espanola ireo rohy.]

Ny volana Septambra, nandany ny lalàna 19.128 i Orogoay, izay nanondro ireo ranomasina manamorona ny firenena ho “toerana masina ho an'ireo trozona sy fesotse [dauphin].” Tsy amin'ny ranomasina manamorona ny firenena ihany no ampiharina izany lalàna izany, fa koa amin'ireo faritra ara-toekarena voatokana ho an'i Orogoay ary mandràra ny fihazàna, ny fanaratoana, ny fisamborana, ny jono, na fakàna ireo hazan-dranomasina rehetra amin'ny fomba rehetra mety azo hamadihana azy.

Ahitana ny fandràrana mikasika ny fitaterana sy fanondranana ireo trozona sy fesotse velona ihany koa izany, ary koa ny tsy fanarahan-dalàna ataon'ireo sambo miantsona ao Orogoay na mitondra ny sainam-pireneny izany na ny an'ny hafa. Manome sazy ho an'ireo izay tsy manaraka izany ny lalàna. Singanina manokana ireo resaka ara-tsiansa sy ara-pahasalamana, raha toa izy ireo ka voamarin'ireo tompon'andraiki-panjakana. Raisin'io lalàna io ihany koa ny mikasika ny tranga fanaovana antsojay, herisetra, na fampijaliana hafa mety hiafara amin'ny famonoana ireo hazan-dranomasina.

Hita sy nankatoavin'ny antenimiera tsy nisy nandà ny lalàna ary navoakan'ny Filoha José Mujica hanan-kery ny 13 Septambra.

Manamafy ireo politika fitahirizana misy ao Orogoay io lalàna vaovao io, izay napetraky ny minisiteran'ny Fiompiana, ny Fambolena ary ny Jono (MGAP) ary ny Fitantanam-pirenena momba ny Harena Andranomasina (DINARA). Ny Talen'ny DINARA, Daniel Gilardoni, dia nanambara tamin'ny lahatsoratra Presidencia navoakan'ny governemanta fa: “Ho an'ny firenen-tsika, ny loza lehibe mandrahona dia ny fanondranana, ny ampahany lehibe amin'ny fahafaesan'ireo biby eny amin'ny tora-pasika dia vokatry ny fifandonana misy eo amin'ireo trozona sy ireo sambo”.

Tombontsoa ara-toe-karena ny toerana masina vaovao ho an'ireo trozona sy fesotse anatin'ireo ranon'i Orogoay, araka ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Toerana masin'i Orogoay ho an'ireo trozona sy fesotse: Avelao hanantona ahy ireo hazan-dranomasina ao amin'ny bilaogy “Ballenas en Uruguay [Trozona any Orogoay]”.

Nazava ny tontolon'ny aterineto niaraka tamin'ireo fihetsika mankatoa ny fanekena io lalàna io. Naneho ireo fankatoavana niparitaka marobe manoloana ny toerana misy an'i Orogoay ho “toerana masina ho an'ireo trozona sy fesotse” ny media sosialy.

Tamin'ny herintaona, nandray anjara tamin'ny hetsi-panentanana hanandratana ilay volavolan-dalàna tao amin'ny Twitter ny mpampiasa izany, Jana (@Piper_uy):

Potsiro mba hanohanana ny fametrahana toerana masina ho an'ireo trozona sy fetsotse any Orogoay http://t.co/N7x1uVMN

Ny volana Oktobra tamin'io taona io ihany, araka ny voalazan'ilay mpanao gazety Lourdes Vitabar (@ louvitabar), dia vondrom-pianatra maro samy hafa no nitangorona teo ivelan'ny Lapan'ny Antenimiera:

Mandeha any amin'ny Lapan'ny Antenimiera ireo mpianatry avy any Maldonado sy Rocha (vatsian'i Paez Vilaró) amin'ny sivy ora ho fanandratana ilay volavolan-dalàna fanamasinana toerana ho an'ny trozona

Nilaza nialoha ny fahalavorarian'io volavolan-dalàna io i Gerardo Amarilla (@ GerardoAmarilla), solombavambahoakan'ny Antoko Nasionaly avy ao amin'ny departemantan'ny Rivera ny volana Martsa tamin'ity taona ity:

Nankatoavina tao amin'ny efitranon'ireo Solombavambahoaka ary hampandalovina eny amin'ny Antenimieran-doholona, mba ho tonga lalàna velona ny Toerana Masina ho an'ny Trozona sy ny Fesotse.

Nankalaza ireo vaovao ny Animales Sin Hogar (@ASHcomUY) [Biby tsy manan-kialofana], rehefa nankatoavina ny lalàna ny volana Septambra teo, raha tamin'izany fotoana izany, anefa, dia sady nisaona ny fahafatesanà trozona iray lavo tany amin'ny faritr'i Kolonia:

Etsy andaniny, mankalaza ity vaovao mahafaly momba ny fijoroan'ny toerana masina ho an'ireo trozona sy fesotse izahay…. http://t.co/DTtyd0hXVQ

Raha mila fanampim-baovao mikasika ny adihevitra mitohy mikasika ny zava-manan'aina anaty ranomasin'i Orogoay, dia afaka manaraka ny Fikambanana ho an'ny Fitahirizana ireo Hazan-dranomasina (OCC) ao amin'ny Facebook sy Twitter ianareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.