Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Avrily, 2024
Feo sy fitaka Deepfakes apongatry ny FaVO-IA mandrahona ny fifidianana manerana izao tontolo izao
Mila arovana matotra kokoa noho izany ny zon'ny olona solokiam-peo sy sary.
Fiakarana faobe ny vidin'ny aterineto ao Madagasikara : tafa niarahana tamin'i Harinjaka Andriankoto Ratozamanana
Noho ny halafon'ny vidiny nanomboka tamin'ny 1 Aprily 2024, lasa entam-barotra tsy fahita firy ao Madagasikara ny aterineto
Solontenan'ny Reporters Sans Frontières tsy nekena hiditra ao Hong Kong
Nosavaina sy nohadihadiana nandritra ny adiny enina tao amin'ny seranam-piaramanidina ny solontenan'ny RDF tamin'ny 10 Aprily 2024 mialoha ny nandroahana azy hivoaka ny firenena.
Ahoana no andoavan'ny governemantan'i Maduro vola hampiroboroboana propagandy sy fandisoam-baovao ao Venezoelà
Mivelatra an-tambajotra sosialy ny propagandy ofisialin'ny governemantan'i Nicolás Maduro noho ny asan'ny olom-pirenena izay mandray vola avy amin'ny governemanta mba hampivadika ny fironana ao amin'ny X, Facebook ary Instagram.
Fehezin'ny manampahefana mafy ny fahalalahanan'ny vahoaka ao Jordania
Fahatezerana sy fahasorenana teo amin'ny vahoaka Jordaniana noho ny tsy fahitana fandraisana andraikitra avy amin'ny governemanta amin'ny fanohanana ny Palestiniana sy ny fanamelohana ny hetsika Israeliana, ary koa ny valin-kafatra nataony tamin'ireo fihetsiketsehana goavana mitohy.
Inona no ao ambadik'ireo ‘hirika volamena’ entin'ilay fiarahamiasa vaovaon'ny vondron'orinasa media maleziàna Star amin'ilay mpiaramiasa aminy avy any amin'ny tanibe Shina
Ny fanjakana shinoa no hany tokana tompon'ny petrabola ao amin'ny Contemporary World Publishing Co., Ltd,, ilay orinasa ao ambadiky ny Contemporary World Magazine, mpiaramiasa farany indrindra ao amin'ny Vondrona Media Star.
Manameloka ny filazan'i Shina momba ny fihenjanana an-dranomasina ny vondrona fampahalalam-baovao Filipina
"Manao vivery ny ainy manoloana ny herisetra tampoka ireo mpanao gazety ao anatin'ireo sambo mpamita iraka mba hampiharihary ny tena fahamarinana misy."
Ao Brezila, hatramin'ny nitondran'i Bolsonaro, nihena ny daroka mpanao gazety fa mitombo ny fitoriana eny amin'ny fitsarana
Nasehon'ny firaketana (andron-drakitra fa nihena ho 181 tamin'ny heriantaona ny karazan-kerisetra nihatra tamin'ny matihanin'ny fampitam-baovao, raha nitombo 92,31 isanjato kosa ny fitoriana mpanao gazety teny amin'ny fitsarana.