Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Novambra, 2019
Handrafitra lalàna iray mikasika ny aterineto i Zambia mba hanaraha-maso ireo media “mpanaratsy”
Esoin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao ankehitriny ny minisitry ny Fampahalalam-baovao, Joseph Katema, tamin'ny nanamafisany fa "tsy mahazo vaovao azo antoka" ireo Zambiana noho ny fifantohan'ireo media amin'ny "fanapariahana laingalainga".
Efa azo idirana ao Pakistàna amin'izao fotoana izao ny pejy Facebook an'ilay Tarika Revolisionera Laal . Hooray ve? Tsy tena mbola izay.
Ny famahàna ny fibahanana ny Laal dia tolona bitika monja ihany nahazoana fandresena tao anatin'ny tena ady iray goavana izay isika no resy
Netizen Report: Tsy mahomby amin'ny fiarovana ny zon'olombelona ireo orinasan'ny teknolojia manoloana ny fanararaotana mpiasa an-trano any amin'ny Helodrano
Voampanga noho ny fanararaotana mpiasa an-trano ireo orinasan'ny teknolojia, miatrika fanakatonana aterineto indray i Iraka, vonona amin'ny fiandrianana ara-aterineto i Rosia.'
Mitohy ny fanakanan'i Iran ny tolotra iraisam-pirenena amin'ny fandraràna ny Google Play
Mifanaraka amin'ny paikadin'ny manampahefana izay manery ireo mpisera Iraniana hampiasa ny fampiasa sy ny tolotra ao an-toearana ary mametra ny fahazoana mampiasa ny tolotra iraisam-pirenena ny fanapahan-kevitra hanakana ny Google Play.
Netizen Report: Manao ahoana ny fiantraikan'ny fihetsiketsehana ao Libanona amin'ny zo nomerika?
Mitohy ny fihetsiketsehana any Libanona ary miverina ny finday any Kashmir (saingy mbola tapaka ny aterineto) ary voasivana ny Twittern'ny Ejypsiana
Mitaky RuNet madio ilay reniben'ny aterineto rosiàna
Raha ny fijerin'i Yelena Mizulina, toerana iray mampahatahotra ny aterineto rosiàna. Miaraka amin'ity famelabelarana avy amin'ny RuNet Echo ity, fantaro ny momba ilay hetsika farany fanivànana ataon'ny Reniben'ny Aterineto.
Atsaharo ny tsimatimanota, alalaho ny fanehoankevitra!
Tsy afa-misaraka ny zontsika haneho hevitra sy ny zontsika hahazo vaovao, ary samy mitombo hatrany ny fanafihana azy roa ireo. Ankalazaina ny 2 Novambra ny Andro Iraisam-pirenena natao Hanatsaharana ny Tsimatimanota ho an'ireo Heloka bevava atao amin'ny Mpanaogazety.
Koety : Ny fijalian'ireo vondrom-piarahamonin'ny tsy manana zom-pirenena any Koety, Ny fahanginana sy ny fanafoanana ny zo maha-olombelona
Tsy nisy ny ezaka nataon'ireo sampan-draharaha miandraikitra ny fiarovana mba hanenjehana sy hampanginana ny hetsika ho fanajana ny zon'olombelona ataon'ireo vondrom-piarahamonin'ny tsy manana zom-pirenena any Koety.
Vietnam: Mpampianatra fahiny teny amin'ny oniversite, nogadraina noho ny zava-boasoratra tety anaty aterineto
Tohizan'ireo manampahefana ao Vietnam ny fanamafisan-dry zareo ny famoretana ireo olontsotra tsy hanana ny fahalalahana maneho hevitra, eny fa na tsy misehatra amin'ny fikatrohana eny ifotony aza izy ireny, na anaty hetsika politika.