Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, misahana ny fahafaha-miteny sy ny sivana an-tserasera izy ireto. ·

RSS

Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Jolay, 2012

Mametraka Ny Tahiry ICP-ny Any Shina Ny Vohikala Ofisialin'ny Lalao Olaimpika Ao Londona

Araka ny nambaran'ireo Sinoa maro mpampiasa aterineto, tsy ilaina ny fametrahan'ny Kaomitin'ny Lalao Olaimpika 2012 any Londona ny tahirin'ny vohikalany ao amin'ny MIIT

Shina: Nisambotra Mpampiasa Aterineto 5007 i Beijing

Ny 2012, hatreto ny rafitra fampiharana ny lalàna anaty aterineto an'ny filaminam-bahoaka ao Beijing dia nikirakira fanohintohinana miendrika heloka bevava maherin'ny 3.961 sy nisambotra olona noahiahiana niisa 2007. Ankoatra izay, nanaisotra votoaty niisa 366.000 tety anaty ateriento sy nanasazy orinasa mpanome tolotra aterineto niisa 7.549.

“Don't Fear the Internet”: Fijoroana Vavolombelona Momba Ireo Anaran-tsehatra Sy Ny Fahalalahana Miteny

Lasa toeram-piadiana anaran-tsehatra momba ny fahalalahana miteny any Shily. Anatin'ity lahatsary iray vaovao avy amin'ny tetikasa “Don’t Fear the Internet”, manazava raharaha roa ny ONG 'Derechos Digitales' highlights : ny elmercuriomiente.cl sy ny estafadoscorfo.cl. Samy ohatry ny fikasan'ny fiadiana anaran-tsehatra mba hampangiana ny fitenenana ireo raharaha roa ireo.

“Aza Matahotra Ny Aterineto”: Fanentanana Vaovao Momba ny Fahalalahana Miteny Tanterahan'ilay ONG ‘Derechos Digitales’

Mifototra amin'ny fanapahan-kevitry ny ONU handray ny fahalalahana miteny ho isan'ny zon'olombelona, nanomboka fanentanana iray antsoina hoe “No temas a Internet” [es] ("Aza matahotra ny Aterineto") ilay ONG “Derechos Digitales” (“Zo Dizitaly”) vao haingana izay, hanairana ny olona amin'ny lanja fototry ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto.

Fanambarana Ny Fahafahan'ny Aterineto

Amin'izao fotoana izao dia niombona ireo vondrona maro hamorona Fanambarana ny Fahalalahan'ny Aterineto, izay iray amin'ireo mpanao sonia voalohany indrindra ny Global Voices Advocacy. Hatreto, nosoniavinà fikambanana sy orinasa mihoatra ny 1300 io Fanambarana io ary mbola mitombo izany.

Fanentanana Ho An'ireo Mpitoraka Bilaogy Syriana

Mitombo isanandro ny isan'ireo vahoaka mpanao gazety maty na voasambotra tany Syria. Misy fanentanana iray momba ilay mpitoraka bilaogy Hussein Ghrer--mikatsaka ny hanaitra ny sain'ny maro amin'ireo raharaha mafana mahazo ilay mpitoraka bilaogy.

Hong Kong: Nosavaina Ny Tranon'ny Mafana Fo Iray Noho Ny Fanendrikendrehana Ho Nisotasota Tamin'ny Aterineto

Tamin'ny 13 Jolay 2012, nisy vondrona mpitandro filaminana nanafika an'i Yang Yang (solon'anarana) tany an-tranony, mafana fo any Hong Kong ka naka an-keriny ny solosaina, ny lohamilina ary ny findainy...nolavin'i Yang izany fanendrikendrehana izany: "amin'ny maha-manampahaizana momba ny aterineto ahy, tsy hanao fanimbàna adaladala tahaka izaony aho. Ny solosaiko ao...

Sodana : Mpitoraka Bilaogy Iray Hafa Indray No Mbola Voasambotra

Araka ireo tatitra farany, maro ireo Sodaney mpitoraka bilaogy sy mafana fo voasambotra tato anatin'ny andro vitsy...Na dia voasambotra aza i Sanosi sy ireo mafana fo, mpitoraka bilaogy ary mpanohitra maro hafa, tsy ho tahaka izany ireo mpanohitra amin'ny #SudanRevolt.