Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Septambra, 2013
Ny Feon'ny Vahoaka: Mandraisa Anjara Amin'ny Resadresaka Manerantany Momba Ny Fiainana Manokana
Amin'ny Talata 24 Septambra, manangana tetezana eo amin'ireo manampahefana izay nomena andraikitra hiaro ny fiainanao manokana sy ny tahirin-kevitrao aminao ity valandresaka ity. Afa-manaraka ny resadresaka amin'ny aterineto ny tsirairay
Queer Pakistan Voabahana: Sabatra Roa Lelan'ny Fandrakofam-Baovaon'ireo Media Ve?
Nobahanan'ireo manampahefana ny tranonkala iray vaovao vao avy natomboka ho fanohanana ireo LGBT ao Pakistana. Voan'ny lazany ihany va re ny Queer Pakistan?
Tonian-dahatsoratra Maraokana Nosamborina Fa Nandefa Lahatsarinà Mpampihoroho
Ali Anouzla dia voasambotra tamin'ny herinandro lasa iny noho ny tranonkalany nanasongadina lahatsoratra iray mikasika lahatsary iray nambara ho nakarin'ny Al-Qaeda tety anaty aterineto. Ny sasany mino fa ilay lahatsoratra dia nanome fialàna bàla tsara fipetraka ho an'ireo manampahefana mba hisamborana an'ilay mpanao gazety.
Fanadihadiana: Sonya Yan Song Mpikaroka Momba Ny Sivana Any Sina
Sonya Yan Song dia mpikaroka iray sady mpamokatra rindrambaiko miasa manodidina ireo lohahevitra resahana betsaka amin'ny sivana anaty aterineto ao Sina. Tao anatin'ny fikarohana nataony farany,dia nikaroka ny hamoahana ny tahan'ny lahatsoratra nofafàna ho an'ireo vaovao aty anaty aterneto izy.
Fanambarana: Mpikatroka Aterineto Mitaky Ny Famotsorana Ilay Bilaogera Bahrainita Mohammed Hassan
Mitaky ny famotsorana an'i Mohammed Hassan (Safybh), tanora bilaogera Bahrainita sady mpiaro ny zon'Olombelona izay nogadraiana tao Bahrain nanomboka tamin'ny volana Jolay ny Global Voices Advocacy sy ny bilaogera manerantany.