Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Avrily, 2020
Hiadiana amin'ny COVID-19 ao Myanmar, antso iray hampitsaharana ny ady sy ny fanapahana aterineto ao amin'ny faritra Arakan
"Mandritra ilay valanaretina erantany, ilaintsika ny mampitsahatra ny ady sy ny fanapahana aterineto mba hiadiana amin'ny COVID-19 ao Rakhine."
Na eo aza ny COVID-19, tsy mitsahatra ireo famoretana ny zon'olombelona ao Egypta
Nanao fitokonana tsy hihinan-kanina ilay bilaogera malaza sady mpikatroka mafana fo Alaa Abd El Fattah ho fanoherana ny fihazonana tsy ara-dalàna azy, hoy ny fianakaviany.
Raha olana ny vaovao tsy marina any Tonizia, tsy vahaolana ny fanamelohana( bebe kokoa) ny fitenenana
Nampandamoka ilay volavolan-dalàna nampiady hevitra mikendry ny hanameloka ny fanelezana " vaovao tsy marina " an-tserasera ireo olompirenena sy ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona.
“Tsy azo inoana” ireo roa mpanao gazety nitatitra momba ny vola fanampiana amin'ny COVID-19 hoy ny minisitry ny polisy ao Papouasie-Nouvelle-Guinée
"Tsy anjaran'ny minisitra ao amin'ny governemanta no mandray fanapahana na tokony horoahana na tsia ireo mpanao gazety, ary indrindra fa rehefa noho ny tatitra tsy lanin'ny vavoniny no antony."
Mpanao gazety an-tserasera notazonina noho ny nanatsongany ny torohevitry ny praiminisitra Kambodziana momba ny COVID-19
"Tsy tokony ampiasaina ho antony hanilihana mpanao gazety izay tsy manaraka anjambany ny fanjakana ny krizin'ny Covid-19."
Tranonkala voabahana, fikatonan'ny aterineto, ary fisamborana amin'ny media manimba ny fahalalaham-pitenenana ao Myanmar
Manahy ireo vondrona mpikatroka sy mpandala ny zon'olombelona fa simbaina amin'ny anaran'ny fiadiana amin'ny areti-mandringana COVID-19 ny fahalalaham-pitenenana.
Naato ny fantson'ilay YouTuber Mozambikana rehefa avy nalaina an-keriny sy norahonana izy
Nalaina an-keriny nandritra ny 24 ora izy tany ampiandohan'ny volana Febroary talohan'ny namotsoran'ny polisy azy. Ahiana ho nanome baiko ny fakana an-keriny ilay nitonon-tena ho mpaminany antsoina hoe Joe Williams.
Mitohy amin'ny fanagadrana mpanao gazety ny famoretana ny mpanohitra any Alzeria
Herintaona mahery taorian'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana manerana ny firenena tany Alzeria nitakiana ny fanavaozana ara-politika sy ara-toekarena dia mbola nanohy ny paikadiny amin'ny famoretana ihany ny governemanta mba hampanginana ireo mpitsikera sy mpanao gazety.