Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Septambra, 2022
Tatitra Unfreedom Monitor: Zimbaboe
Efa vita tatitra momba ny tsongam-pikarohana avy amin’ny Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Zimbaboe izao. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny endrika pdf feno.
Ahoana no nanaovan'ny governemanta ao Sodàna ho ara-dalàna ny fanasokajiana sy ny fanivanana votoaty amin'ny aterineto?
Misy ny fitsipika iray manery ny orinasam-pifandraisana (telcos) hanakana sy hanivana ny lisitry ny URL, ary "manara-maso isan'andro" ny fitaovana fanivanana mba hanamarina fa nohavaozina izany.
Fikambanan'ny mpanao gazety ao Makedoniana Avaratra, manameloka ny rahom-bava natao tamin'ny vehivavy iray mpanao gazety
Vehivavy iray mpanao gazety nanamarina ny banga tamin'ny asan'ireo mpanala fako ao Skopje no norahonan'ireto farany tamin'ny filazàna fa mety hitera-doza izany ho an'ny tenany, ny fianakaviany ary na dia ny alikany aza, nitaky azy hamafa ireo sary manameloka an-dry zareo.
Fitsarana misahana Fifidianana ao Brezila, ampifanakaikeziny kokoa ireo vovonana mialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena, saingy mbola fanontaniana mipetraka ny momba ny fanolorantenan'ireo orinasa
Tsy misy fanerena anefa ireo fifanarahana rehetra, midika izany fa tsy hisy ny fampiharana raha toa misy vovonana tsy manaja ireo asa voatanisa ao anatin'ilay fifanekem-piarahamiasa.
Tanàna atao fahirano: Ahoana ny fomba fanampenam-bava ny gazety any Zimbaboe
Ho famokarana fitantarana eken'ny Fanjakana na ny antoko mpanohitra, voafandrika ao anaty ady stratejika ireo mpanao gazety
MIVANTANA amin'ny 22 Septambra: Jadona ara-teknolojika ao India
Narahin'ny fomba fanao isan-karazany izay manakana ny fahalalahan'ny olom-pirenena ny fanitsiana nomerika haingana ao India. Miaraha aminay amin'ny 22 septambra ho amin'ny fifanakalozan-kevitra momba ny fanosehana ny olom-pirenena.
Tatitra Unfreedom Monitor: Tanzania
Efa ato anaty tatitra izao ny fikarohana Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Tanzania. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny pdf feno.
Nampiana marika nomerika miafina ny sehatra media sosialy Shinoa hanaraha-maso fizarana pikantsary
Farafahakeliny sehatra media sosialy Shinoa roa no nanampy script tamin'ny tranonkalany sy ny fampiasany mba hamoronana marika nomerika miafina hanaraha-maso ny mpisera voalohany izay nizara pikantsary.
Norahonan'ny nosy Solomon tsy hiditra ny firenena ireo mpanao gazety vahiny ”tsy manaja”
"Tsy misy ifandraisany amin’ny “fitantarana manambany” sy izay rehetra ifandraisany amin’ny fitondram-panjakana any Honiara tsy mahazaka fanadihadiana izany."
Fanafoanana ny fanjanahana angondrakitra mba hiadiana amin'ny didiko fe-lehibe nomerika
Ny fanjanahana angon-drakitra dia mitovy amin'ny fanjanahantany mahazatra rehefa ny fakàny fiainan'olombelona no resahana. Ampiasain'ny fanjakana araka izany ny fananany angon-drakitra mba hifehezana ny fitondrantena sy ny fomba amam-panao ara-kolontsaina ary ara-pivavahan'ireo vitsy an'isa.