Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Septambra, 2010
Sina: Mpanoratra tantara anaty aterineto nosamborina fa hoe namoaka zavatra mamoafady
Mpanoratra tantara iray anaty aterineto, Yuan Ping (solon'anarana), no nosamborin'ny polisin'ny tananan'i Dongguan fa hoe namoaka zavatra mamoafady tamin'ny 26 Septambra. Dongguan dia ao amin'ny faritanin'i Guangdong. Malaza amin'ny firoboroboan'ny indostrian'ny fivarotan-tena ilay tanàna.
Mila ny fanohananao ny mpikatroka Tailandey voasambotra taorian'ny #IAL2010!
Voasambotra tao amin'ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao Bangkok Suvarnabhumi i Chiranuch Premchaiporn, mpitantana ny Prachatai. Niverina avy tany amin'ny Dinidinika “Aterineto ao amin'ny Fahalalahana 2010: Ny Fampanantenana sy ny loza mety...
Mozambika: Mitsabatsabaka amin'ny tolotra Simaiso (SMS) ny Governemanta
Dika sarina fàfana avy amina tatitra an-tsarimihetsika tao amin'ny Youtube mitatitra tsy hafalian'ny vahoaka tao Maputo, an’ i Amanda Crossi, nozaraina sy nampiasàna ny CC Attribution – Non-Comercial- Share Alike...
Iran: Hossein Derakhshan (”Hoder”), mpitoraka bilaogy voafonja mety hiatrika fanamelohana ho faty
Loharano iray azo antoka no nilaza tamin'ny Global Voices fa ny mpampanoa lalàna ao Teheran dia mikasa ny hampihatra ny fanamelohana ho faty amin'ilay Iraniana mpitoraka bilaogy Hossein Derakhshan (fantatra koa amin'ny hoe “Hoder”)
Venezoela: Governemanta vs. Tambajotra Sosialy, mitohy ny ady.
Tamin'ny herinandro lasa, ny Filohan'ny kaomisiona Media ao amin'ny Antenimieram-pirenena, Manuel Villalba, dia nanambara fa rahampitso 21 Septambra, dia hametraka fitoriana tranonkala maromaro eo anoloan'ny mpampanoa lalàna. Mety ho tsaroanao angamba, tsy vao voalohany izao no nisy solontenan'ny governemanta Venezoeliana milaza imasom-bahoaka ny ady ataony amin'ny tambajotra sosialy.
Shina: Rafitra fanamarinana ny mombamomba ny olona (ID)
Miady hevitra momba ny fametrahana ny tena anarana ao amin'ilay sehatra fitorahana bilaogy kiritiky ny Baidu, Baidu Shuoba, ireo mpitoraka bilaogy sy mpandefa bitsika (twitterers). Maro no miahiahy fa i Baidu, lohamilina fikarohana lehibe indrindra ao Shina, dia mifampitohy amin'ny raki-tahirin'ny governemanta
Siria: Tal al-Molouhi, vehivavy iray 19 taona, mpitoraka blaogy, no any am-ponja efa ho herintaona maninjihinjy izao
Tal al-Molouhi, Siriana iray mpitoraka blaogy, dia nosamborin'ny olon'ny Sampan-draharaham-panjakana Siriana miandraikitra ny fandriampahalemana noho izy namoaka tononkalo momba an'i Palestina tao amin'ny blaoginy.
Ny Telefónica ao Espana sy ny tsy fiandaniana eo amin'ny aterineto
Mbola miresaka tsy fiandaniana eo amin'ny aterineto indray ireo mpitoraka blaogy Espaniola, fa amin'ity indray mitoraka ity dia tsy ny Fankatoavana ny Google-Verizon sy ny politika arosony ao Etazonia no ifantohana, fa...
Maraoka: Mpitoraka bilaogy maharay fandrahonana ho faty
Lahatsoratr'i Hisham nivoaka tao amin'ny Advocacy ny 10 Sep 2010 Kacem dia Maraokana iray mpitoraka bilaogy sady mafana fo, nahitàna fampahafantarana toy izao tamin'ny tranonkalany, Bahmout, mivaky hoe: “tsy manaiky...
Ejipta: horohoro vaovao indray ho an'ny fahalalahan'ny aterineto
Ao anatin’ny andrana vaovao hametraka sakantsakana amin’ny aterineto ao Ejipta lazaina fa hoe hanaovana izay hiarovana araka ny lalàna ny fizaka-manana ara-tsaina dia namoaka fanapahan-kevi-panjakana ny Ministeran’ny kolontsaina Ejiptiana tamin’ny 31 Aogositra 2010 mba hamafàna ireo tranonkala rehetra mamoaka sary sy feo tsy mifanaraka amin’ny lalàna (lah:28) mifehy ny fizaka-manana ara-tsaina navoaka tamin’ny 2002 tao Ejipta