Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Jolay, 2019
Famoretana taorian’ny fifidianana tany Maoritania : nesorina ny sakana tamin'ny Aterineto saingy mbola notànana ny mpanao gazety
Mbola nanohy ny famerana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalaham-pitenenana izay anisan'ny famoretana taorian’ny fifidianana ny governemanta na dia teo aza ny fiafaran’ny fanakatonana ny Aterineto naharitra 10 andro.
Miara-misakafo amin’ny ben’ny tanana ny Kazakhs bilaogera sasany, ny hafa kosa ampidirina am-ponja
Bilaogera Kazakh telo no nogadraina am-ponja nandritra ny 10 andro noho ny fanaovana hetsi-panoherana teo ivelan'ny trano fisakafoanana izay nihaonan'ny ben'ny tanàna tamin'ireo bilaogera tao an-toerana.
Moa ve handràra ny fampitam-baovao tsy miankina amin'ny alàlan'ny lalàna i Kiobà? Handrara ny fampiantranoana tranonkala vahiny ny didim-panjakana vaovao
"Mamela ny fampahalalam-baovao tsy miankina tsy hanan-tsafidy "ara-dalàna" amin'ny fampiantranoana ny lalàna," hoy ny mpanao gazety ao an-toerana sady mpanoratra ato amin'ny Global Voices Elaine Díaz .
Zo hahazo vaovao: Manoloana ny lalàna vaovao momba izany, hanara-dia an'i Nizeria ve i Ghana?
Manamafy ny UNESCO fa "ampahany feno amin'ny zon'ny fahalalahana maneho hevitra ny fahalalahana hahazo vaovao." Ao amin'ny faritra, voasoratra ao amin'ny Sata Afrikanina momba ny Zon'olombelona sy ny Vahoaka sy ny Fanambarana ny fitsipika momba ny Fahalalahana maneho hevitra ao Afrika ny zo ho an'ny fahalalahana maneho hevitra.
Takiana ny Tinder ankehitriny mba hizara ny tahirin'ny mpiserasera any amin'ny manampahefana Rosiana
Afaka mahazo ny tahirin'ny mpiserasera Rosiana ao amin'ny Tinder ankehitriny ny sampan-draharaham-piarovana Rosiana