Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Desambra, 2015
Taorian'ny 525 Andro Nitànana Azy Ireo Am-ponja , Miaro Ny Tenany Eo Anoloan'ny Fitsaràna Ireo Etiopiana Mpisera Amin'ny Aterineto
Navela hiaro ny tenany teny amin'ny fitsaràna, nolàvin'ireo Etiopiana mpisera amin'ny aterineto ny vesatra hoe manao hetsika manakorotana fanjakana ary notantarainy ny fampijaliana sy ny fanavakavahana ara-poko tany am-ponja.
Olontsotra tia manoratra gazety vao nahazo amboara nisy namono tao Idlib, Syria
Maty novonoin'olona misarontava tao avaratr'i Syria i Ahmad Mohamed Almossa, mpikambana iray ao amin'ny fiarahan'ny Syriana olon-tsotra tia manao gazety ao amin'ny "Raqqa is Being Slaughtered Silently" (RBSS), hoy ny fanambaran'ny vondrona tao amin'ny Twitter.
Rosiana Mpikatroka Mafàna Fo Voasazy Taona Roa Noho Ny ‘Antso Hanao Hetsika Mahery’ Nalefany Taminà Tambajotra Sosialy
Nohelohin'ny fitsaràna iray tao amin'ny distrikan'i Krasnodar i Darya Polyudova, mpikatroka iray mafàna fo, noho ny "antsony ho an'ny daholobe nataony tao amin'ny media sosialy hirona amin'ny fisaraham-bàzana sy hanao mahery fihetsika", ka nanasazy azy handia taona roa tany amin'ny toby iray fanefàna sazy (fanarenana).
Aterineto ambany fikoriana, fanantenana ambony nirariana: Fandraisana anjara nomerika tamin'ny fifidianana tao Venezoelà
Na dia ambany fikorisa aza ny aterineto ary voamarika tany amin'ny toerana sasantsasany ny fahatapahan'ny aterineto miverimberina, dia voaporofo fa mitana anjara toerana lehibe amin'ny resaka ifanaovana amin'ny vahoaka sy ny fivezivezen'ny vaovao momba ny kandidà, indrindra ireo avy amin'ny fanoherana ny tranonkalan-tserasera.
Netizen Report: Tsy Nampidirin'ny Manampahefan'ny Firenena Mikambana Tamin'ny Dinika Momba ny Aterineto Manerantany Ao Brezila Ny Mpanohitra
Manome topi-maso iraisampirenena momba ny fanamby, fandresena, vaovao malaza mikasika ny zo an'aterineto manerantany ny Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy.
Nanasazy Poeta Ho Faty i Arabia Saodita Ary Mandrahona Hitory Ireo Mpitsikera Ny Rafitra Famaizana
Voatsikera mafy ny didim-pitsarana indrindra tao amin'ny media sosialy, mampitaha ny fehezan-dalàna famaizan'i Arabia Saodita amin'ny novonoin'ny ISIS.
Nigadra herintaona, tsy manan-tahotra ilay mpanao gazety Khadija Ismayilova avy ao Azerbaijan
" Mbola manankarena bebe kokoa noho ireo lehilahy sy vehivavy mpanao kolikoly nosoratako ireo aho. Satria manana soatoavina vonona ny hanolorako hatramin'ny aiko aza aho.."
Nahoana No Nanapaka Ny Arabe Ireo Sofina Goavambe? Mba Hanohitra Ny Fanarahamason'ny Fanjakana Ao Makedonia
Ilay fahainoana ara-elektronika atao hoe "baomba" navoakan'ireo lehiben'ny antoko mpanohitra efa ho iray taona lasa izay, no namboraka fa noraisina antsokosoko anaty rakipeo ny seraseran'ireo olona maherin'ny 20.000 tany Makedonia.
Hahafoana ny fahafahana maneho hevitra ve ny naotin'ny polisy ao Indonezia miompana amin'ny tenim-pankahalana?
"Manome fitaovam-piadiana matanjaka hoan'ny polisy io, mamela azy hanapa-kevitra amin'izay mety ho heverina ho tenim-pankahalana na tsia, ary mety hiteraka olana sy mampidi-doza."