Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Oktobra, 2016
Netizen Report: Mivatravatra Ny Hetsipanoherana ao Etiopia, Ireo Bilaogera Zone9 Kosa Miverina Any Amin'ny Fitsaràna
Manome topimaso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, ny fandresena ary ireo fironana vao mipoitra momba ny zon'ny aterineto manerantany ny Advox Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy.
Netizen Report : Manjavona ireo Somaiso Mampifanolana any Kiobà
Mitombo ny famoretana ny mpanao gazety any Kiobà, sakanan'i Arabia Saodita ny LINE, ary gadrain'ny manam-ahefana Rosiana ny mpilalao satria manohintohina ny fivavahan'ny olona, Pokemon-style.
Tsy Hita Tao Shina Ny Mpamorona Fitaovana Iray Fitaterana Ireo Hetsipanoherana
Efa hatramin'ny 15 Jona i Lu Yuyu no tsy hita popoka. Nitatitra ireo vaovaonà fihetsiketseham-bahoaka tao Shina i Yuyu tamin'ny alàlan'ny sehatra famoahana vaovao, "Tsy ao anaty Vaovao" hatramin'ny 2013.
Nosokafan'i Maraoka Ny Fampiasa VoIP Alohan'ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana Momba Ny Fikorontanan'ny Toetr'andro
"Nosokafan'i Maraoka vetivety ny tolotra VOIP mba tsy ho hita ho fanjakan'ny polisy izy mandritra ny # COP22", hoy ny siokan'ny mpisera iray .
Nobahanana Nandritra Ny Androm-pifidianana Ny WhatsApp sy Viber Tao Montenegro
Voaloton'ny fiampangana tsy fanarahan-dalàna ny fifidianana parlemantera tao Montenegro tamin'ny 16 Oktobra 2016, hoy ny tatitra tamin'ny tambajotra sosialy, ary voaràra nandritra ny fotoana tsy dia maharitra ny WhatsApp, Viber sy ny fampiharana fandefasan-kavara sahala amin'izany.
Ireo Shinoa Manampahefana Mpanidy Ny Tranonkala Ara-tsaina ‘Gongshi’, Mitarika Ireo Mpanao Aterineto Mba Hanontany: ‘Fiafaràn'ny Marimaritra’ ve Izao?
"Tian'ireo tompon'andraikitra ny hanakatonanay ny tranonkala, lazaina fa manaparitaka hevitra diso ilay vovonana. Noho ny fandrahonana, nakatonay. Tatitra avy amiko ity."
Voalaza Fa Nobahanana Ny WhatsApp Tao Yemen, “Olana Ara-teknika” Hoy Ireo Mpandraharaha Finday.
Nitosaka ny fanivànana vontoaty an-tserasera tao Yemen hatramin'ny nanombohan'ny ady ifanaovana'ny Houthi mpihoko sy ny tafika tsy mivadika amin'ny filoha Abdrabbuh Mansour Hadi.
Ny Manjò ny Zambian Watchdog: Nakatona Ny Tranonkalam-baovao Mpanohitra Mahery Vaika
Ny fanakatonana vao haingana dia mety nisy fifandraisany tamin'ny fitateram-baovaon'ny Watchdog amin'ny fifidianana ankapobeny 2016. Nanohana ny mpanao politika mpanohitra lehibe indrindra, Hakainde Hichilema, avy ao amin'ny Antoko Mitambatra ho an'ny Fampandrosoana ny Firenena (UPND) ny tranonkala.
Miantso Ny Praiminisitr'i Timor-Leste Ny Mpamoaka Vaovao Hanaisotra Ny Fitoriana Fanalam-Baraka
Miezaka ny mpamoaka vaovao manerana izao tontolo izao hanao izay hanesoran'ny praiminisitr'i Timor-Leste (Timor Atsinanana) ny fitoriana heloka bevava mpanangom-baovao roa avy ao amin'ny Timor-Post izay nilaza azy ho tafiditra amin'ny kolikolin'ny governemanta.
Manely Lahatsary ‘Hiram-Pitiavana’ Clinton-Trump Tsy Fanta-Piaviana Ny Manampahefana Shinoa
Mifantoka amin'ny lafin-javatra tsy dia mitombina eo amin'ny fifaninanana Hillary Clinton sy Donald Trump ireo manampahefana mpanao fampielezan-kevitra satria tsy afaka hanakana ny olona amin'ny fanarahana ny vaovao izy ireo.