Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Desambra, 2021
Bilaogera vietnamiana Phạm Minh Hoàng notanana, nesorina zom-pirenena ary natao sesitany tany Frantsa
"Nanoratra bilaogy aho, nanohy naneho ny hevitro momba ny olana toy ny demaokrasia, ny kolikoly, ny fiandrianam-pirenena aho. Zavatra azon'ny rehetra atao izany, ary raha ny marina, tokony hataon'ny rehetra."
Fanarahamaso ao Libanona: Olan'ny fiainana manokana
Hita na aiza na aiza ary mazàna atao tsy misy fanarahamaso mifanaraka amin'ny rafitra araka ny lalàna ireo fitsabahana amin'ny fiainana manokan'ny olompirenena ao Libanona.
Bahanan'ny Rosiana mpanampim-peo ny tranonkalam-panampiana ara-pitsarana tsy mitady tombom-barotra OVD-Info
"Hitanay ho fanohizana ny fanafihan'ny fanjakana amin'ny fiarahamonim-pirenena izao. Tsy mahagaga raha mifantoka amin'ny OVD-Info ny fanafihana amin'izao fotoana izao."
Nahariharin'ny Andron'ny seza foana ny manjò ireo mpanao gazety okrainiana nogadraina
Ny nifantohan'ny hetsika Empty Chair [seza foana] tamin'ity taona ity dia i Vladyslav Yesypenko, mpanao gazety mahaleotena notanana am-ponja tsy ara-dalàna tamin'ny fiampangana fitsikilovana noho ny tatitra momba ny zava-misy iainan'i Krimea fehezin'i Rosia.
Nosakanan'i Rosia ny fidirana amin'ny tranonkala Tor
Ampahany amin'ny paikady "fiandrianana ara-aterineto" ao amin'ny firenena izay mikatsaka ny hanamafy ny fifehezan'ny fanjakana foibe ny fotodrafitrasa amin'ny aterineto sy ny sehatra an-tserasera ny fanerena hisian'ny sivana anjotra goavana kokoa.
Sarotra ny manakana ny vaovao faikany ao amin'ny WhatsApp. Zava-dratsy ve izany?
Mavitrika ny olona mitoroka vaovao diso amin'ny Facebook. Saingy lasa sarotra kokoa ny zava-miseho rehefa miparitaka amin'ny WhatsApp ny torohay sy ny vaovao.
Manamafy ny hidim-baravarana amin'ny fahalalahan'ny media i Ozbekistan sy i Kazakhstan
Noraràn'ny governemanta Ozbeka ny fidirana ho an'ilay mpanao gazety vahiny iray, raha kendren'ny sampam-piarovan'ny fanjakana kosa ireo mpanao gazety sy mpikatroka any Kazakhstan.
Miteraka ahiahy momba ny fiainana tsy ahahaka ny tsy fitoviana amin'ny politikan'ny fanangonana lahatahiry ao amin'ireo orinasa pan-Afrikàna sasany ao Oganda
Nanambara ny tatitry ny Unwanted Witness fa ny ankamaroan'ny lahatahirin'olona manokana voangona an-tserasera dia manitsakitsaka ny zon'ny fiainana tsy ahahaka, tsy misy fiheverana izay fiarovana sy ny fahamendrehan'ny olom-pirenena.