Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Aogositra, 2011

Venezoela: Fikorontanan'ny Fidirana Amin'ny Blogger.com

Nandritra ny volana Aogositra, nitaraina ireo bilaogera Venezoeliana mikasika ny olana amin'ny fidirana ao amin'ny tolotry ny Blogger.com. Manamafy ny olona fa, na dia efa notaterina im-betsaka tany amin'ny CANTV aza ilay olana ( CANTV ilay ISP Venezoeliana mpanome tolotra aterineto izay an'ny fanjakàna), tsy misy mihitsy valinteny mba nomen'ilay orinasa, sady tsy mba novahany ny olana

29 Aogositra 2011

Maraoka: Vohikala Miaritra Fisomparana DDoS

Niaritra fisomparana "distributed denial-of-service" (DDoS) na "tolotra voatsinjara nolavina" ny vohikalam-pitolomana maraokana Mamfakinch! ny andron'ny alahady 31 jolay 2011, ka nampikatso nandritra ny ora maromaro ny fidirana tao aminy. Efa miverina an-tserasera ankehitriny ny vohikala. Fa inona ny Mamfakinch! ary inona ny antony isomparana azy?

15 Aogositra 2011

Fitorahana Bilaogy Miafina Amin'ny WordPress sy Tor, Torolàlana Amin'ny Teny Espaniola

Ny Toro-làlana momba ny Fitorahana bilaogy miafina amin'ny WordPress sy Tor dia efa misy amin'ny teny Espaniola noho ny fandikan-tenin'ny mpanampy malalantsika Marianne Diaz. Ny toro-làlana dia mampiseho fomba maro hiarovana ny mombamomba ny olona iray mba hisorohana ny valy bontana ary hampiena bebe kokoa ny risika amin'ny fanakambanana ny mombamomba ny mpitoraka bilaogy iray amin'ny asa sorany ao anaty aterineto amin'ny alàlan'ireo fitaovana tekinika samihafa.

09 Aogositra 2011