Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, misahana ny fahafaha-miteny sy ny sivana an-tserasera izy ireto. ·

RSS

Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Desambra, 2013

Manaisotra ny Rakotra Manarona ny Sivana ao Shina

I Shina no manana fandrindrana fanivanana voalalina indrindra eran-tany, ary mety ho tena sarotra ho an'ireo avy any ivelany ny hahatakatra ny fomba fiasany sy ny zavatra tena voasivana. Maro ireo tetikasa natokana hanazavana io trangan-javatra io amin'ny alalan'ny fandalinana ny Sina Weibo, sehatry ny media sosialy manan-daza indrindra ao...

Zambia: Soraty Amin'ny Anaranao Ny Karatra SIM Anao, Fa Tapaka io Raha Tsy Izay

Terena hanoratra ny karatra SIM amin'ny findainy amin'ny tena anarany sy fampahafantarana hafa ny Zambiana. Ahoana moa no toeran'izany eo amin'ny tsiambaratelon'ilay mpikirakira azy?

Manameloka Ny Famonjàna An'i Le Quoc Quan,Ilay Vietnamiana Mpitoraka Bilaogy, ireo Manampahaizana Ao Amin'ny Firenena Mikambana

Voasambotra ny volana Desambra 2012 i Le Quoc Quan noho ny fiampangana azy ho nitsoaka hetra -- saingy miahiahy ireo manampahaizana fa "ny tena tanjona" amin'ny fihazonana sy ny fanamelohana azy dia ny mba hampanginana an'i Quan, Quan, izay mpiaro mafana fo ny zon'olombelona.

Lahatsary: Iza No Mifehy Ny Aterineto?

Inona no atao hoe fitantanana ny Aterneto? Video vaovao iray an'ny Fundacion Karisma no nanomana fampianarana fohy misy ny iray amin'ireo fikorontanana izay miantraika amin'ireo mahery fo mpiaro ireo zo niomerika ankehitriny.

Netizen Report: Votsotra teo Ampelatànan'ny Governemanta Ny Drafitra TPP, Ka Tonga Any Amin'ny WikiLeaks

Miverina ny fanadihadiana amin'ity fizaram-potoana ity! Mandritra ity herinandro ity dia mandinika ny fanapahan-kevitra farany mikasika ny Google Books isika, miampy ny fikarohana vaovao momba ny fanivanana ao anatin'ny Sina Weibo ao Shina sy ny Wikipedia Persiana.

Nizeria: Hampangiana Ny Kiana Sa Hiady Amin'ny Heloka Bevava Ety Anaty Aterineto?

Manapa-kevitra mikasika tolo-dalàna marobe mikendry hiady amin'ny heloka bevava atao anaty aterineto ireo Nizeriana mpanao lalàna -- nefa afaka hanafoana ny fahalalahana sivily eny ampandehanana eny..

Mpikatroka Syriana: Tokony Hatsahatra Ny Herisetra Atao Amin'Ireo Mpiasan'ny Media

Mampiaka-peo ny fikambanan'ny media ao Syria ho fanoherana ny fitomboan'ny herisetra ataon'ny vondrona djihadista amin'ireo mpanao gazety ao amin'ny firenena