Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Marsa, 2013

Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto

Manamarika ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto ny 12 Martsa. Tamin'ny 2008 no voalohany indrindra nikarakaran'ny Reporters Without Borders, vondrona iraisam-pirenena mpisolovava ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto, izay niantsoana ireo mafana fo, hetsika sy fikambanana maneran-tany handray anjara amin'ny alalan'ny fampahatsiahivana ny olona mandrafitra azy ireo ny lanjan'ny fiarovana ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto.

#FreeBassel: Herintaona Aty Aoriana, Mbola Any Am-ponja Ity Mpiserasera Syriana Ity

  17 Marsa 2013

Herintaona omaly no nosamborina sy nampidirina am-ponja ao Damaskosy ilay mpikirakira web sy mpiaro ny teknolojia mivelatra Syriana Bassel Khartabil, mbola any am-ponja izy hatramin'izao. Anisan'ireo mpiaro ny teknolojia misokatra fantatra amin'ny anarana hoe Bassel Safadi izy, lehilahy 31 taona izay anisany nitarika ny  Creative Commons ho an'i Syria ary niasa...

Ejypta : Famaritana ny Fahalalahana Nomerika

Tamin'ny volana febroary lasa teo, namoaka ny fanadihadiana voalohany [amin'ny teny arabo] momba ny fahalalahana nomerika ny fikambanana miaro ny fahalalahan-kevitra sy fahalalaham-pitenenana  ao Ejypta; lahatsoratra mamariparitra ireo karazana zon'Olombelona sy ny fitsipika aman-dalàna rehetra mifandraika amin'izany no hita amin'ny  boky, tahaka ny fidirana amin'ny (teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana), ny fahalalahan-kevitra...

Global Voices Advocacy : Mampiroborobo Ny Zon'ny Mpiserasera Eo Amin'ny Firenena Mikambana

  11 Marsa 2013

Tamin'ity herinandro ity, manampahaizana an-jatony momba ny teknolojia sy ny politikan'ny aterineto no nihaona tao Paris nandritra ny Vovonana Iraisam-pirenena momba ny Sehatry ny Fampahalalam-baovao (société de l’information) (SMSI) mba hiadihevitra sy hiresaka lohahevitra tena maika mifandraika amin'ny politikan'ny Aterineto. Manamarika ny faha-10 taona nitsingerenan'ny fizotry ny hetsika tamin'ny alalan'ireo karazana sampan-draharahan'ny Firenena...

Miaramila Amerikana Namoaka Vaovao Tany Amin'ny WikiLeaks

  10 Marsa 2013

Nohenoina nandritra ny fitsarana ara-miaramila natao azy ilay miaramila Amerikana sady mpampianga, Bradley Manning tamin'ny herinandro lasa teo mba hanazava amin'ny fiteniny manokana, ny antony nahantonga azy namoaka tahirin-kevitra miaramila saropady an'arivony tao amin'ny habaka WikiLeaks. Eto no ahitana dika tsy ofisialin'ny fijoroana vavolombelona izay narakitr'ilay mpanao gazety Alexa O’Brien. Nilaza tamin'ny  fitsarana i...

“Aza Matahotra Ny Aterineto”: Ireo Sehatra Tsy Andairan'ny Copyright Any Shily

  09 Marsa 2013

Tsy afaka hamboniana ny fahazaran'ny RuNet hanamafy ny fanazavana ny paikadin'ny firaisana tsikombakomba aminà hetsika iray mitranga. Miaraka amin'ity lahatsary vaovao avy amin'ny hetsika fanentanana #NoTemasaInternet (Aza Matahotra Ny Aterineto) ity, asehon'ny ONG Derechos Digitales ireo sehatra tsy iharan'ny copyright misy any Shily . Te.hamporisika antsika hampiasa azy ireny tsy am-pihambahamba ihany koa izy ireo. Zontsika izany!

[Lahatsary] “Aza Matahotra Ny Aterineto”: Ny Wikipedia, Ny Fizakà-manana, ary Ny Fahalalahana Miteny Ao Anaty Aterineto

  03 Marsa 2013

Anatin'ity fanadihadiana vao haingana avy ao amin'ity fanentanana #NotemasaInternet ity (Aza matahotra ny Aterineto) mikasika ny fizakà-manana ao anaty aterineto ity, niresaka tamin'i Osmar Valdebenito izahay, filohan'ny Wikimedia ao Arzantina (sady filohan'ny sampana Shiliana teo aloha), fikambanana izay mandrindra sy manao izay hisian'ny fotodrafitrasan'ny Wikipedia eran-tany