Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Desambra, 2019
Venezoelà: Volavolandalàna manasazy ny fanoherana an-tambajotra
Araka ny lalàna, mety ho voasazy an-tranomaizina herintaona ka hatramin'ny dimy taona ny olona rehetra mampiasa ireo fitaovana niomerika mba 'hampiroboroboana na hanafihana ny rindra napetraky ny lalàm-panorenana" na "manakorontana ny filaminambahoaka".
Governemanta ao Nizerià, mandidy ny hamotsorana an'i Omoyele Sowore, mpanao gazety sy mpikatroka ho an'ny zon'olombelona
Ny Aogositra i Omoyele Sowore no nosamborina rehefa nampangaina ho namadika, nanao famotsiambola ary nila vaniny tamin'ny filoha Muhammadu Buhari tao Nizerià. Nidoboka am-ponja izy na nisy aza ny didim-pitsaràna navoaka nandidy ny hamotsorana azy.
Tian'ireo shinoa manampahefana omena valisoa izay mpisera anaty aterineto ka manapariaka “vaovao tsara”
Amporisihan'ny birao shinoa misahana ny aterineto ireo orinasa misehatra amin'ny teknolojia mba hanome valisoa ireo "manapariaka vaovao tsara". Tsy miombona amin'ny famaritan'ny governemanta ny atao hoe vaovao tsara ireo shinoa mpampiasa aterineto
Kôlômbia, tantara an-tsary iray miresaka ny fanarahamaso sy ny miralenta, manaraka ny gadona salsa
María Juliana Soto, mpamorona ny tantara an-tsary nomerika « Tour Delirio : Salsa y Vigilancia », niresaka tamin'ny Global Voices momba ny miralenta sy ny fanarahamaso ao Amerika Latina
Andao hikarajia Twitter amin'ny #WritingTowardFreedom an'ny Global Voices amin'ny 11 desambra 2019
Ahoana ny mahalasa fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana antserasera eto Afrika ny kabary fankahalana foko, ny fahadisoana sy ny fandisoam-baovao, ny fandotoan-drindrina ataon'ny governemanta? Miaraha aminay amin'ity adihevitra ity ao amin'ny karajia Twitter.