Ahoana no andoavan'ny governemantan'i Maduro vola hampiroboroboana propagandy sy fandisoam-baovao ao Venezoelà

Fandravahana avy amin'ny Probox. Nahazoana alalana.

Ny lahatsoratra etoana dia navoakan'ny fiaraha-mientam-baovao “C-Informa”, ekipa mpanao gazety Venezoeliana izay mikendry hifanandrina amin'ny fandisoam-baovao ary rafetin'ny Medianálisis, Efecto Cocuyo, El Estímulo, Cazadores de Fake News sy Probox, sy mahazo ny fanohanan'ny vondron'orinasa  manohana ny asa fanaovan-gazety mahaleotena ao amin'ny faritra (CAPIR) sy ny torohevitry ny Chequeado ao Arzantina sy ny DataCrítica ao Meksika. Navoaka eto araka ny fifanarahana media ny endrika nasiam-panovana.

Nivelatra nandritra ny taona maro ny firesaky ny Chavismo an-tambajotra sosialy noho ny asa — nanakaraman'ny governemantan'i Nicolás Maduro— ny olom-pirenena nampiroborobo fitantarana mitongilana any amin'ny fitantanany ao anaty tontolom-panolanam-baovao sy propagandy ampian'ny fomba toy ny fanakatonana media, ny fanenjehana ny gazety ary ny fanalokalofana ara-pifandraisana.

Tsy zava-baovao ao Venezoelà ny tetipanorona hampiroboroboan'ny olompirenena sy ny mpiasam-panjakana fironana amin'ny tambajotra sosialy. Raha ny marina, ireo no tena mitazona ny hadirin'ny fandefasan-kafatry ny Chavismo amin'ny habaka toy ny X (Twitter teo aloha), Instagram ary Facebook.

Na izany aza, ary mifanohitra amin'izay ampinoan'ny governemanta antsika, dia tsy noho ny faharesen-dahatry ny olom-pirenena hidera ny politikan'ny governemanta Maduro, ny ankamaroan-dresaka. Fa miafina ao ambadika ny teti-panorina ara-pifandraisana tsara omana, nolavorariana tao anatin'ny taona vitsivitsy izao, mampiasa Venezoelàna tsotra, izay omena valisoa toy ny vola (tombo-tolotra omen'ny governemanta hiadiana amin'ny krizy ara-toekarena sy valisoa noho ny fidirana ao amin'ny antoko politika) na finday, rehefa manaraka torolàlana manokana amin'ny famoahana sy fampitàna fironana amin'ny tambajotra sosialy.

Mivaky toy izao ny lahatsoratra: Eo an-tampony, ireo andrin'ny fandisoam-baovao sy propagandin'ny governemanta Venezoeliana. Andalana manaraka: “fifandraisana mivantana amin'ny governemanta” eo amin'ny faran'ny havia amin'ny antanantohatra sy “fifandraisana miafina amin'ny governemanta” eo ankavanana. Andalana manaraka, miloko mavo, avy ankavia miankavanana: Fifandraisana ofisialy, hafatra ara-bola, proxy media, taniketsa media sosialy, fandisombaovao ankihy. Infografika nataon'i C-Informa. Nahazoana alalana.

Tantara iray ao ambadiky ny mpiblaogy an-jatony

Nampanantenaina fahafahana mahazo vola fanampiny tamin'ny fotoana tsy nahafahan'ny karamany mamelona azy i Jesús izay nangataka ny hanafenana ny mari-panondroany noho ny antony fiarovana, na dia efa 15 taona aza no niasany teo amin'ny sehatry ny fanabeazana. Namotika ny karamany izay 20 dolara amerikana amin'izao fotoana izao, ny krizy, ny fidangan'ny vidim-piainana ary ny tsy fahazoan-karama imbetsaka.

Tsy irery i Jesús tamin'ny andro fivoriana. Farafahakeliny mpiaramiasa 10 hafa no nameno ny efitrano kely izay niantsoina azy ireo tao amin'ny fanjakan'i Trujillo, any andrefan'i Venezoelà.

“Lesom-piofanana izao hanitarana ny seraseran'ny zava-bita ara-panabeazana eto Venezoelà,” hoy ry zareo. Niseho tao an'efitra ny lehilahy roa nanolotra ny tenany ho mpandrindram-paritra ao amin'ilay tetikasa.

Fantatr'i Jesús tao anatin'ny minitra vitsy ny hevitra hampiroboroboana ao amin'ny faritra ny hafatry ny Foibe Fampandrosoana ny Kalitaom-Panabeazana (CDCE), andrim-panjakana iray misehatra manerana ny firenena. Izany no nahatongavan'i nanan'i Jesús eo. Hanatevin-daharana ny vondrona tompon'andraikitra amin'ny fampiroboroboana ny fitantarana an-tambajotra sosialy, indrindra amin'ny X (Twitter), ny zavabitan'ny firenena eo amin'ny sehatra ara-panabeazana no nahatongavany tao tamin'ny fiandohan'ny taona 2024.

Mifangarika loatra amin'ny fihetsiketseham-panoheran'ny mpampianatra tao Venezoelà an-taonany vitsy izao ny fampiroboroboana sy ny fampisehoana ny zavabita ara-panabeazana, satria mitaratra ny tsi-fahafaham-pon'ny mpiasan'ny sehatra noho ny hakelin'ny karama sy ny tsy fahampian'ny fitaovana. Nihena ihany koa ny kalitaon'ny fampianarana, araka ny asehon'ny fanadihadiana.

Vakio ihany koa: Mpampianatra tsy raharahiana: Ahoana no anakonan'ny governemanta venezoelana ny fihetsiketseham-panoheran'ny mpampianatra amin'ny alalan'ny propagandy ankihy

Any Venezoelà, ankizy 11 tapitrisa no taonan'ny tokony hianatra an-tsekoly, fa 6,5 ​​tapitrisa ihany no voasoratra ao amin'ny rafi-pampianarana, raha nandao ny firenena na niova asa ny mpampianatra efa ho roa hetsy. Miara-dalana amin'ny faharatsian'ny fotodrafitrasa (60 isanjaton'ny sekolim-panjakana no tsy misy tolotra fototra toy ny jiro, efitra fandroana ary aterineto), izay manazava ampahany ihany amin'ny tsy fahafahan'ny 80% fanadinana rehefa manao fitsapa-pahaizana tsotra amin'ny matematika, araka ny fanadihadiana nataon'ny Oniversite Katolika Andrés Bello (UCAB).

Mihetsika toy ny miaramila manao izay hampandresena amin'ny “adin-tserasera”, araka ny iantsoan'ireo olo-malazan'ny governemantan'i Maduro azy, ireo mpiasa ankihin'ny Chavismo ireo. Fa mampiasa vola be, fampitaovana ary talenta izay tokana ny tanjona dia ny fampiroboroboana ny propangandy sy ny fandisoam-baovao an-tambajotra sosialy anefa ry zareo amin'ny fanaovana izany, nefa dia io tambajotra sosialy io no iray amin'ireo fomba tokana hahazoan'ny vahoaka Venezoeliana vaovao.

Nosoritsoritan'ny lahatsoratra iray navoakan'i Cazadores de Fake News [Mpihaza vaovao sandoka] ny fomba fiasan'ny mpisioka anjotra iray amin'ny alalan'ny kaonty X mihoatra ny 15 isa sy ny fahazoany USD 80 isam-bolana noho ny fampiroboroboany farangotenin'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao Venezoeliana. Niasa ambolana maro ramatoa mandra-piovan'ny zava-drehetra ka tsy nahazoany tombo-tolotra intsony.

Tsy kisendrasendra no nahatongavan'ilay tolo-kevitr'i Jesús rehefa nitsaha-ketrika tsy toy ny teo aloha ny farangoteny ampiroboroboan'ny Minisiteran'ny Fifandraisana sy ny fampahalalam-baovao ao Venezoelà. Na dia mbola voafehin'i Chavismo aza ny “Twitterzuela” eo amin'ny habetsaky ny boky sy ny lazan'ny farangoteny mivoaka isan'andro, tsikaritra ny fihintsanana goavana teo amin'ny lazan'ny propaganda Chavista rehefa tonga i Elon Musk.

Tsy mety intsony ny mamoaka sioka an-jatony hampiroboroboan'ny olona farangoteny tamin'ny fanakatonana ny fidirana maimaimpoana amin'ny API, dia nihitsoka ihany koa ny tombo-tolotra azo noho ny “fahavitrihana an-tambajotra sosialy” iadidian'ireo lazaina ho “Mpisiokan'ny Tanindrazana” avy amin'ny Rafitra Tanindrazana ary tahaka izany ihany koa ny asa.

Rehefa kely kokoa ny aloa, dia vitsy kokoa ny sioka

Nahomby an-taonany maro ny fametraham-pironana nataon'ny Ministeran'ny Fampahalalam-baovao (Mippci) tao Venezoelà noho ny fanaovana izao fomba manaraka izao: Namoaka farangon-teny vao maraina ny Mippci ao amin'ny kaontiny X ary mandahatra izany ho farangon-tenin'io andro io. Aorian'ny famoahana io sioka io, manomboka manoratra sioka ahitana io farangoteny io ny olona anatin'ny “Mpisiokan'ny Tanindrazana”, tafi-tserasera sy ny mpiasam-panjakana hahabetsaka ny sioka sy handahatra azy io ho fironana iray.

Tapaky ny taona 2023 tany ho any no nitantaran'ny Probox ny hetsi-panoheran'ny “Mpisiokan'ny Tanindrazana” noho ny tsi-fandoavana ny vola nampanantenaina. Ao anatin'ireo fitakian-dry zareo ny handoavana ny vola mifanentana amin'ny tsirairay tamin'ny fampiroboroboana ireo farangotenin'ny andro araka ny didin'ny minisiteran'ny serasera sy ny fampahalalam-baovao. Tao anatin'io fihetsiketsehana io no nametrahan-dry zareo ny #RespetoParaLosTuiteros  (Fanajana ireo mpisioka), izay nahavita sioka maherin'ny 10.000 tao anatin'ny iray andro.

Nandritra ny taona 2023, nandrakitra fironana sôsiôpôlitika 831 tamin'ny resaka ankihy ao amin'ny X, izay nahavory sioka 205 tapitrisa mahery ny Probox. Amin'ireo rehetra ireo, 95,25 isanjato no novokarin'ny Chavismo. Na izany aza, ny olana tsy hoe miresaka bebe kokoa amin'ny X ny Chavismo, fa tsy-misy/tsy-marina ny ankamaroan'ny resaka. Azo refesina io fanolanana ankihy io amin'ny alàlan'ny fikajiana ny isanjaton'ny mpisera mampiasa ny kaontiny ho toy ny kaonty Bot, na kaonty mamahan-tena. Izany hoe amin'ny fomba “tsy avy amin'olombelona”.

Ankatok'izao fifidianana filoham-pirenena izao, izay mahatonga ny tambajotra sosialy ho sehatra iray manandanja indrindra iadian-kevitra ao amin'ny firenena, efa noporofoin'ny herim-pifandraisan'ny Chavismo ny hanely propagandy sy ny fandisoam-baovao hamadika sy hitarika ny fironam-bahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.