Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Mey, 2018
Netizen Report: Inona no iombonan'i Pakistan sy Rosia? Mandràra ny Telegram izy ireo.
Manome topimaso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy ny vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany ny Advox Netizen Report.
Nogadraina ireo mpikatroka Rosiana manohitra ny kolikoly noho ny “fitarihana fitroarana” tamin'ny alalan'ny siokan'izy ireo
Nampiasain'ny manampahefana ho porofon'ny fitarihana korontana faobe ny sioka, ary indraindray ny "retweets" tamin'ny votoaty hafa an'ireo mpikatroka manohitra ny kolikoly izay nanao fihetsiketsehana hanoherana ny fanokanana fahefatra an'i Vladimir Putin ho filoha .
Tsy Fahaiza-Mitàntana Sa Tsindry Politika No Nandroahana Ilay Tonian-Dahatsoratry ny Bangkok Post, Umesh Pandey ?
"Aleoko very asa toy izay hanondrika ny lohako."
Mandrisika ny governemanta vaovao ao Malezia hanatanteraka fanavaozana amin'ny media
Mampahatsiahy ny governemanta vaovao ao Malezia ny fiarahamonim-pirenena sivily mba hanatanteraka ny fandaharan'asany momba ny fanavaozana izay nampanantenaina nandritra ny fampielezan-kevi-pifidianana.
Nanao fihetsiketsehana ny Montenegrina mba hanohitra ny fanafihana mitam-piadiana nihatra tamina mpanao gazety iray ary…
Taorian'ny fanafihana mpanao gazety Olivera Lakić, izay nisy nitifitra teo amin'ny tongony, Montenegrina an-jatony maro no nanao fihetsiketsehana tao Podgorica, nitaky fanatsaharana ny tsimatimanota sy ny fiainana lavitry ny tahotra.
Ny fizotry ny hetsika lehibe manodidina ny sivana, ny fijirihana, ny DDOS ary ny fahalalahana an-tserasera
Noho ny amin'ny maha-zava-dehibe ny hetsika manodidina ny fangejana ny aterineto, indrindra taorian'ny hetsi-panoherana tany Iran sy ny disadisa teo amin'ny Google sy Shina, nanandrana nanangona ity lahatahiry ity aho nandritra ny fotoana maromaro, ary nampiseho izany ao amin'ny fitantarana miaraka amin'ny rohy sy lahatsary (isaky ny misy).
Namidy tamin'ny orinasan'ny fifandraisana amin'ny daholobe miasa ho an'ny antokon'ny fitondrana ny tranonkalam-baovao mahaleotena farany ao Kambodza
"Voaraoka ny lehiben'ny tonian-dahatsoratray noho izy nitsangana ho amin'ny fahaleovantenan'ny asa fanaovan-gazety ary tsy nety nanaisotra lahatsoratra manasongadina ny mpamoaka lahatsoratra vaovao ato aminay."
Mivembena ny ezaka ataon'ny governemantan'i Rosia handrara ny Telegram, sangisangian'ny mpikatroka nomerika ny sampana mpanao sivana
Anaovan'ireo Rosiana fanalan'andro ny fandanian'ny sampan-draharahan'ny sivana rehefa miezaka mandrara ny fampitan-kafatra ankamamiany ilay sampan-draharaha.
Lasa maditra loatra i ‘Peppa Pig’ ho an'ireo mpanao sivan'i Shina
Zanakolontsaina iray mampifandray an'i “Peppa Pig” amin'ny “Shehuiren”, voambolana iray milaza ireo andian-jiolahy, ka mahatonga an'ilay kisoa malaza ho ao anatin'ny honahonam-potaka.
‘Tsy ho adinoina mandrakizay ianao sy izao famoizana izao': Ny asa mahafaty iainan'ny fampitam-baovao ao Afghanistan
"Andro mahory tokoa. Asa mafy tokoa. Fotoana maizina tokoa eto Kabul. Mitati-baovao ny fandevenana ny mpiara-miasa aminy, Yar Mohammad Tokhi, i @TariqMajidi."