Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Jona, 2012

“Mpanelanelana Ara-kolotsaina Ny Bilaogera”

Ivan Sigal, tale mpanatanteraky ny Global Voices dia nitafatafa tamin'ny Amnesty International Allemagne mba hanazava ny niandohana sy ny tanjon'ny Global Voices. Azavainy indrindra amin'izany ny anjara toerana raisin'ireo bilaogera ao anatin'ny fifanakalozana vaovao miampita lavitry ny sakan'ny fiteny sy ny kolotsaina tsy mitovy..

20 Jona 2012

Koety: Mpiondana Aterineto Telo Nosaziana An-tranomaizina

Hatramin'ny niparitahan'ny Lohataona Arabo, narahan'ireo manampahefana Koetiana akaiky tokoa ireo mpampiasa aterineto ary antsoiny hanaovana fakàna ambavany sy alefan-dry zareo eny amin'ny fitsarana matetika noho ny fanenjehana azy aminà raharaha samihafa izay ny betsaka dia manana endrika ara-pinoana na politika.

11 Jona 2012