Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Oktobra, 2021
Mihevitra lalàna vaovao hanakanana ny tambajotra sosialy i Kazakhstan
Natao hanakanana ny asa ataon'ny orinasan'ny tambajotra sosialy ao Kazakhstan ny fanitsiana lalàna vaovao. Mety hanamafy ny fitsikilovana ataon'ny governemanta ilay famerana nolazaina fa natao hiarovana ny zon'ny ankizy,
Mpanorina tranonkalam-baovao sady tonian-dahatsoratra nametra-pialana noho ny tsindry avy amin'ny manampahefana Kazakh
Nikatona nandritra ny 10 andro ny tranonkalan'ny Hola News noho ny Fanafihana be pitsiny. Avy eo nandao ny tetikasa ny ekipa fototra, noho ny tsindry avy amin'ny manampahefana hoy izy ireo.
Tatitra vaovao momba ny fironan'ny fahalalahan'ny aterineto manerantany any Torkia sy Kaokazy atsimo
Raha "misy fahalalahana" ny laharana misy an'i Zeorzia sy i Armenia tamin'ny tatitra tamin'ity taona ity, i Torkia sy i Azerbaijan kosa dia mitana ny laharana "tsy misy fahalalahana" noho ny rivo-piainana sarotra manodidina ny zo nomerika (ankihy) sy ny fahalalahana.
Nihabetsaka ny fanentanana hametaka ny mpanao gazety sy ny fampitam-baovao rosiana ho ‘kasinga vahiny’ taorian'ny fifidianana
Sady mpiantraika mivantana no tena manahirana tokoa ny fiantraikan'ny fehezan-dalàna misahana ny 'kasinga vahiny' ao Rosia amelezana fampitam-baovao sy firaisamonim-pirenena. Tondroina ho 'fahavalom-bahoaka' ry zareo amin'izao fotoana izao.
Nahoana i Twitter nanohana ny #EndSARS ao Nigeria fa tsy nanohana ny #FixTheCountry ao Ghana?
Na dia tsy mazava aza ny antony, ny hetsika ataon'ny Twitter dia ahafahana mihevitra fa tsy te-hiditra ao anatin'ny raharaha politika ao Ghana tahaka izay ataony ao Nigeria izy, eny fa na dia midika ho tsy fiarovana ny zo ankihin'olompirenena aza izany.
Mangataka fanafahana ilay mpikatroka Alaa Abd El Fattah ny mpanohana
Niresaka ny fihenan'ny fahasalaman'ny sain'i Abd El Fattah ny mpisolovava azy ary nanatsonga ny teniny fa "tsy afa-manohy aho."
Mihamafy ny fanelezana vaovao diso amin'ny fahatongavan'ireo mpitsoa-ponenana Afghàna any Makedonia Avaratra
Tonga tao amin'ny seranam-piaramanidina Iraisampirenena Skopje tamin'ny alin'ny 30 aogositra ny vondrona voalohany ahitana olom-pirenena Afgàna miisa 149. Mampandroso ireo mpitsoa-ponenana ny governemanta sy ny firaisamonim-pirenena, manararaotra ny mahazo azy ireo ny nasionalista elatra havanana ka manely fandisoam-baovao sy fankahalana.