Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Desambra, 2011
Tiorka: Tsy Mahazo Mibitsika Avy Any Amin'ny Lapam-pitsaràna!
Firenena mitarika ny lohany i Tiorkia, eny fa mbola alohan'i Shina sy Iran aza amin'ny fanànana mpanao gazety 107 voasambotra.
Ho An'ireo Shinoa Mpiondana Aterineto, ny SOPA Dia Rindrimbe Iray Hafa Indray
Niteraka fanehoan-kevitra feno fanalàna azy teo amin'ny tontolon'ny aterineto miteny Shinoa ny momba ny lalàna Stop Online Piracy Act (SOPA), na Fandraràna ny Fijirihana ao amin'ny Aterineto izay andrasana ho entina hofidiana eo amin'ny Antenimiera Amerikana alohan'ny faran'ny taona. Voakinan'ny Amerikana foana ny governemanta Shinoa tamin'ny fanelingelenana ny fivezivezen'ny vaovao tamin'ny alàlan'ny rafitra iray fanivànana fanta-bahoaka amin'ny hoe ilay Rindrimbe, na Great Firewall. Anjaran'ny Shinoa mpiondana aterineto indray izao ny mihomehy amin'ny tolo-dalàna momba ny Great Firewall Vita Amerikana.