Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Avrily, 2011
Ny Fitroarana Siriana sy ny Fampitam-Baovao Miely Patrana vs. Ofisialy
Voalohany izao tao anatin'ny folo taona no mitodika any Syria izao tontolo izao, raha an'alinaliny ireo vahoaka manao fihetsiketsehana fanoherana ny fitondrana nifehy tao efa ho 50 taona mahery
“Spambots” Twitter: Fomba Fiady Vaovao Mba Hampanginana Resaka
Ny 18 Aprily, nanoratra momba ireo “spambots” nikendry ny teny fototra #Syria mba hampanginana ny feo miantso, na mitatitra ireo fanoherana, i Anas Qtiesh. Raha nahasarika ny sain'ny maro ity...
Nandroaka Mpiasan'ny Fahitalavitra Soedoazy i Azerbaijan
Nitatitra ny The Commitee to Protect Journalists fa nandroaka mpiasan'ny fahitalavitra Soedoazy i Azerbaijan,izay tonga mba haka sary fanadihadiana iray momba ny zon'olombelona eo amin'io firenena io.
Sivanin'ny Tranobem-Pirenena Ho an'ny Siansa ao Etazonia ny GV Advocacy
Tsy ela akory izao, ny ekipan'ny Global Voices dia naheno fa ny vohikalany, https://advocacy.globalvoicesonline.org, dia voasakana ao amin'ny foiben-toeran'ny Tranobem-Pirenena Ho an'ny Siansa – National Science Foundation (NSF) ao Washington,...
Voasambotra i Mahmood Al-Yousif, “rain'ny bilaogy” Bahraini
Fotoana fohy taorian'ny 3 ora maraina tany an-toerana, nosamborina tany an-tranony ny mpitoraka bilaogy fanta-daza Mahmood al-Yousif . Talohan'ny nialany niaraka tamin'ireo manam-pahefana, nitoraka tweet ilay mpitoraka bilaogy, "Eto amiko ny mpitandro filaminana." Samy nanamarina ny fisamborana azy na ny rahalahiny na ny zanany lahy.
Muhammad Bakr Radwan: Ejiptiana Iray Mafana Fo Voatàna Any Siria
Radwan dia mizaka zonm-pirenena Ejiptiana-Amerikana izay tena nazoto tamin'ireo hetsika tany Ejipta, niray hina tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tany Tahrir nandritra ireo andro taorian'ny #Jan25 ary nitatitra ireo vaovao mikasika an'i Siria sy ireo fikomiana Arabo ao amin'ny kaonty Twitter sy Facebook-ny.
Fanenjehana mpitoraka blaogy liberaly jiosy
Richard Silverstein, jiosy liberaly iray mpitoraka bilaogy, no iharan'ny fanenjehan'ny elatra havanana mahery fihetsika avy amin'ny nationaliste sy ara-pivavahana. Tao amin'ny bilaoginy Tikun Olam, namoaka filazana iray i Silverstein izay nalefa...
Mampidi-doza ny fiainana manokan'ireo mpampiasa azy ny Microsoft: Tsy misy HTTPS any amin'ireo firenena Arabo, Iran
Amin'ny hetsi-panoherana mbola mitohy sy ny famoretana mafy ataon'ny governemanta any Afovoany Atsinanana, mampidi-doza ny tsy fahatoniana ao amin'ny aterineto izay mety hisy akony lehibe eo amin'ny fiadanan'ireo mpampiasa aterineto any...