Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Aogositra, 2017
Tian'ny Governemanta Hofehezina ny Fankahalana Ao Amin'ny Media Sosialy
Amin'izao fotoana, amin'ity ANC manana ny fahefana feno ity, izay tsy ahitana afa-tsy ny solontenan'ny antoko mitondra, dia hita fa tsy misy na inona na inona afa-manakana ity lalàna ity tsy ho lany.
Ireo Palestiniana Mpanao Gazety Indray No Lasa Lasibatra Voalohany Tamin'ilay Lalàna Hiadiana Amin'ny Heloka Bevava Atao Amin'ny Aterineto
Noho ny "famoahana vaovao ho an'ireo vondrona mpanohitra", nampangaina tamin'ny alàlan'ilay lalàna vaovao mifehy ny heloka bevava atao amin'ny aterineto vao avy nankatoavina ireo mpanao gazety.
Ao Paragoay, Mety Hamelezana Anao ny Rakitry ny Toe-Pahasalamana sy ny Toe-Bolanao
Ny tsy famehezana ny fampiasana ny lahatahirin'olona manokana dia midika fa mety ampiasaina hamelezana anao ny torohay ara-bola na ara-pahasalamana momba anao rehefa mangataka asa, miditra sekoly na zavatra hafa maro ianao...
Mpiasan'ny Governemanta Iray ao Brunei Mitaraina Amin'ny Fanomezana Sertifikà Halal Voampanga ho Mampisara-Bazana
"zany eo ihany fa fampahatsiahivana fa tsy manana fahalalaham-pitenenana isika ity boay voampanga ho mitabataba amin'ny governemanta ity.," hoy ny soratry ny mpisera Twitter iray.
Manaisotra ny VPN Ao Amin'ny Tranombarotra ao Shina ny Apple
"izao no dingana lehibe indrindra nataon'ny governemanta shinoa hanakanana ny fampiasana ny VPN hatramin'izay, ary talanjona izahay mahita ny Apple manome vahana ny ezaka fanivanana shinoa."
Omid Reza Mir Sayafi, Bilaogera Iraniana Maty Tany Am-Ponja
Nodimandry tao amin'ny fonjan'i Evin ao Tehran tamin'ny 18 marsa i Omid Reza Mir Sayafi, mpanao gazety sady bilaogera iraniana 29 taona. Voaheloka higadra roa taona sy tapany izy tamin'ny desambra, noho ny filazana fa nanivaiva mpitondra fivavahana sy fanaovana propagandy hamelezana ny Repoblika Islamikan'i Iran.
Mikarakara Andro Iraisampirenena Ho Firaisankina Amin'ireo Bilaogera Enjehina
Tolokevitra hametrahana andro iraisampirenena ho an'ny bilaogera enjehina
“Matroudine”, Tranonkalan'ny Mpianatra Toniziana Mitokona Tsy Hanendry Hanina Voasivana
Nobahanan'ny manampahefana toniziana ny fidirana amin'ny Matroudine, tranonkala natokana hanolotra vaovao sy fanohanana ireo mpianatra sady mpikatroka dimy avy ao amin'ny Sendikà UGET nitokona tsy hihinan-kanina ho fanoherana ny fanilihana azy ireo tsy hahazo hiditra amin'ny oniversite toniziana noho ny fikatrohana ataon-dry zareo eo anivon'ny UGET.
Nanameloka Ny Polisy Noho Ny Fisamborana Tsy Ara-dalàna Sy Ny Fanagiazana Boky I Zunar, Mpanao Sariitatra Politika Maleziana
"Azonareo atao ny mandràra ny bokiko, azonareo atao ny mandràra ireo sariitatrako, kanefa tsy afaka mandràra ny saiko ianareo. Hotohizako hatrany ny sariko mandra-pahatapitry ny ranomaintiko."
Bilaogera Alemàna-Ejypsiana Navotsotra Rehefa Niharan'ny Herisetra Ara-tsaina Nandritra Ny 5 Andro
Navotsotry ny manampahefana Ejiptiana ilay bilaogera Alemana-Ejiptiana Philippe Rizk tamin'ny Alarobia rehefa notànana notampena-maso nandritra ny dimy andro tany amin'ny toerana tsy fantatra ary niharan'ireo karazana herisetra ara-tsaina.