Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Jona, 2011

Hong Kong: Fanamelohana Ireo Asa Nasiam-panovàna Tsy Nahazoana Alàlana

  30 Jona 2011

Nametraka ny volavolan-dalàna(Fanitsiana) 2011 momba ny Zon'ny Mpamorona ireo asa  tany amin'ny Sampana mpanao lalàna ny 15 Jone 2011 teo ny governemantan'i Hong Kong. Hanameloka ireo asanasiam-panovàna ao amin'ny aterineto izay mampiasa ireo fitaovana misy fiarovana nefa tsy nahazon-dàlana ity volavolan-dalàna ity. Mino ireo mafàna fo amin'ny fampahalalam-baovao ao amin'ny...

Tranganà Bilaogera Maleziana hoe Nanàla Baràka – Miteraka Ahiahy

  29 Jona 2011

Manoloana ny fitsarana an'ilay Maleziana mpiaro ny zon'olombelona sady bilaogera, Charles Hector noho ny resaka fanalàm-baràka, amin'ny 28-29 Jona 2011, niantso ny Fitsarana Maleziana ny ARTICLE 19 mba handinika ilay tranga mifanaraka amin'ny fepetra iraisam-pirenenan'ny fahalalahana maneho hevitra anaty aterineto. Raha ny lanja mavesatry zo halalaka maneho hevitra, sy ny fankatoavan'ny andalana faha 10 ao amin'ny Lalampanorenana Maleziana azy io, ARTICLE 19 dia mangataka ny Fitsarana mba hanome antoka fa hoe ny lalàna Maleziana mifehy ny fanalàm-baràka dia hodinihana, araka izay azo atao, ao anatin'ny fanajàna tanteraka ny zon'i Hector halalaka hiteny.

Hong Kong: Antsojay araka ny lalàna

  22 Jona 2011

Eo ambanin'ny foto-kevitra hoe One Country, Two Systems (Firenena iray, Rafitra roa), nankafy ny fampitàm-baovao sy ny fahalalahana miteny lavitry ny fitondrana tsy refesi-mandidin'ny Rindrina Be sy ny fanenjehana ara-politika any Sina i Hong-kong.

Fampidirana am-ponja ny mpitoraka blaogy sady mafana fo Andrzej Poczobut any Belarosia

  03 Jona 2011

Tamin'ny 6 Aprily i Andrzej Poczobut, Poloney mpifandray amin'ny gazety Poloney mpivoaka isanandro Gazeta Wyborcza any Belarosia sady mpitoraka blaogy mafana hajain'ny fiaraha-monina Belarosiana noho ny herim-pony mamatsy vaovao ny fampielezam-baovao fototra, dia nosamborina araka ny lalàna Belarosiana roa samihafa – noho ny fanompàna sy fampielezam-baovao tsy marina momba an'i Alexander...

Tetikady Fampiasàna Finday Rehefa Mandray Anjarana Aminà Hetsi-Panoherana Am-Pilaminana

  03 Jona 2011

Raha toa ianao mandray anjara aminà hetsika atao am-pilaminana amin'ny maha-mpanao gazety, mpiaro zon'olombelona, na mafàna fo, dia fitaovana sarobidy tokoa ny findainao. Fitaovana izy ahafahanao mifandray amin'ny namana, mandrakitra ny hetsika, ary ho vavolombelon'izay rehetra mitranga manodidina anao. Mandritra izany, tokony hitandrina zavatra vitsivitsy ianao amin'ny fampiasana ny findainao sy ny fifandraisana. Ity toro-làlana manaraka ity izay nivoaka tao amin'ny Mobile Active [Ang] dia afaka manampy anao hampiasa tsara ny findainao mandritra ireo hetsika am-pilaminana sady, mandritra izany, miaro tsara koa ny tenanao.