Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, misahana ny fahafaha-miteny sy ny sivana an-tserasera izy ireto. ·

RSS

Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Jolay, 2013

Mpanao Gazety Iray Hafa Nosamborina tao Zambia

Taorian'ny nisamborana an'i Wilson Pondamali sy nisavan'ny polisy ny tranony, nolazain'ny mpiserasera fa tsy hita idirana intsony ny tranokanam-pampahalalam-baovao mahaleotena Zambian Watchdog ao Zambia.

MERCOSUR Sy Ny Hoavin'ny Aterineto Any Amerika Latina

Ny Zoma lasa teo, namoaka fanambarana hentitra manohitra ny fanaraha-maso goavana ataon'ny governemantan'i Etazonia ny olom-pirenena ao aminy ireo mpitondra ambony ao amin'ny governemantan'i Amerika Latina nandritra ny fihaonana maika nataon'ny MERCOSUR, firaisana ara-toekarena sy ara-diplomatikan'ireo mpitarika any Amerika Atsimo. Manakaiky io fihaonana io, nisy vondron'olona mafana fo, mpianatra eny...

Rosia : Mampisara-kevitra Ny Mpiaro Ny Zon'Olombelona i Snowden

Misara-kevitra manoloana an'i Edward Snowden sy ny fikarakaran'i Kremlin ilay mpiasan'ny NSA taloha, mbola eo ambany fahefan'ny Seranam-piaramanidin'i Moskoa ao Sheremetyevo ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona rosiana.

Nepal : Mpanao Gazety Voasambotra Fa Namoaka An-Gazety Ny Fiainana “Firaisana Ara-nofo” Tao Aminà Sekoly Iray

Mpanao gazety Nepale telo voaheloka ho namoaka vaovao mahatezitra sy manala baràka tamin'ny aterineto no voasambotra tamin'ny herinandro teo. Nentin'ny mpitandro filaminana hotanana vonjimaika izy ireo taorian'ny fitarainana napetraky n y manampahefana avy ao amin'ny Oniversitem-panjakana zay nitory azy ireo ho namoaka lahatsoratra momba ny fampiasan'ny mpianatra zazavavy baranjely ho...