Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, misahana ny fahafaha-miteny sy ny sivana an-tserasera izy ireto. ·

RSS

Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Febroary, 2012

Inona No Dikan'ny Rafitra Fanesorana Ataon'ny Twitter Isaky Ny Firenena Ho An'ny Fahalalahana Haneho Hevitra ?

Omaly, ny Twitter dia nanambara tao aminà lahatsoratra iray anaty bilaogy fa eo an-dalam-pametrahana rafitra iray izy ireo izay ahafahan'ny orinasa manaisotra ny rakitra miainga amin'ny isaky ny firenena, ialàna amin'ny famotehana azy ao manerana ny rafitra Twitter. Eva Galperin dia manazava hoe ahoana ilay rafitra vaovao, ary ahoana no...

Iran: Voarahon'ny Mailaka “Ho Voasazy Ianao” Ireo Mpanao Gazety

Maro ireo Iraniana mafana fo sy mpanao gazety no nahazo mailaka milaza fa ho voasazy izy ireo araka ny lalàna "Famaizana Islamika" ao amin'ny Repoblika Islamikan'i Iran.

Syria: AFAKA i Razan Ghazzawi Sy Ireo Vehivavy Mpiara-miasa Aminy

Ilay Siriana bilaogera sady mpiaro ny Fahalalahana Maneho Hevitra, Razan Ghazzawi, izay voasambotra fanindroany indray tany ampiandohan'ity herinandro ity , dia nafahana ny Sabotsy teo niaraka tamin'irei vehivavy mpiara-miasa aminy. Ireo lehilahy mpiara-miasa aminy ao amin'ny Birao Foibe Siriana Ho an'ny Fahalalahana Maneho Hevitra ao Damaskaosy dia samy mbola voatana...

Maraoka: Voasambotra Noho Ny Famoahana Sarisary Zary Tenan'ny Mpanjaka Tao Amin'ny Facebook

Ny 7 Febroary 2012, niseho tany amin'ny lapam-pitsarana iray tany Rabat renivohitr'i Maraoka, i Walid Bahomane. Voampanga ho "nanala baraka ireo soatoavina Maraokana "tamin'ny famoahana lahatsary sy sary maneso ny mpanjakan'i Maraoka, Mohammed VI, tao amin'ny Facebook ilay tanora izay vao 18 taona

Shina: Vady sy Zanaky ny Mafàna Fo Iray Anaovana Antsojay Ety Enaty Aterineto

Mpampiasa Twitter iray tsy nitonona anarana no namoaka ny mombamomba manokana ny vadin'i Wen Yunchao, sy ny zanany lahy tety anaty aterineto. Bilaogera sy mafana fo tsy zoviana amin'ny ady hisian'ny fahafaha-miteny malalaka eny anivon'ny aterinto Sinoa i Wen ary niharan'ny niharan'ny fanenjehana noho izany

Shina: Mikasa Hitarika Ny Sehatra Fitoraham-Bilaogy Bitika ny Antoko Kaominista Sinoa

Any Shina, eo ambany fiahian'ny Antoko Kaominista Sinoa (CCP) mivantana avokoa ireo fitaovana media mahazatra rehetra. Misy mpitan-tsoratry ny CCP dia napetraka isaky ny fikambanana media mba hanara-maso ny votoaty sy hanome ny zotra arahana ho an'ireo mpamoaka sy mpitatitra momba ny zavatra mila asongadina sy sivanina

Boky Vaovao Momba Ny Ady Erantany Ho An'ny Fahalalahan'ny Aterineto

Fomba ahoana no hahazoana antoka fa hoe ny aterineto dia mivoatra mankany amin'ny làlana iray hifanindran-dàlana amin'ny demaokrasia? Ary ahoana no fomba hahatonga antsika ho "mpiondana aterineto" mandray andraikitra ho an'ny hoaviny ara-dizitaly? Io no lahahevitra nofinidin'i Rebecca McKinnon ho an'ny boky vaovao nosoratany: "Fifaneken'ireo mpifandrohy: Ady Erantany ho an'ny...

Korea Atsimo: Nofoanan'ny Lalàna Miaro ny Fandriampahalemana Nasionaly ny Adihevitra Momba an'i Korea Avaratra

Koreana Tatsimo iray mpampiasa Twitter, Park Jeong-Geun no any am-ponja nanomboka tamin'ny 11 Janoary 2012 noho ny famerenana mamoaka ny hafatra tahaka ny hoe "Ho ela velona anie Jeneraly Kim Jong-Il" tao amin'ny Twitter