Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Oktobra, 2018
Fehezam-boninkazo mena enina sy tapaka lohana ondrilahy: Fandrahonana ho faty ho an'ny gazety Rosiana tsy miankina iray

Napetraka teo am-baravaran'ny gazety Novaya Gazeta, fampahalalam-baovao mahaleotena any Moskoa ireo entana mampatahotra ireo, tamin'ny ezaka mazava handrahona sy hanampim-bava ireo mpanao gazety mpanadihady ao amin'ny gazety.
Mampiseho ireo mpikatroka tamin'ny Hetsika Elo sy ilay mpanao sariitatra ara-politika Badiucao ny Herinandron'ny Fahalalaham-pitenenana ao Hong Kong
Tato anatin'ny taona vitsy, niatrika famoretana henjana ireo Hong Kongers manohana ny zo demokratika sy ny fahaleovantenan'ny faritra.
Nosamborina tany Arabia Saodita ilay mpanoratra Yemenita Marwan Almuraisy ary tsy hita popoka avy eo
Ao amin'ny fanjakana mpanao didy jadona,nitombo teo ambany fitondran'i Mohammed Bin Salman ny fanenjehana ireo feo mahaleotena.
Notànana tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Islamabad ilay Pashtun mpiaro ny zon'olombelona ary navotsotra taorian'ny faneren'ny media sosialy
Pashtun Mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona fanta-daza sady mpanorina ny tambajotra Seeds of Peace i Gulalai Ismail.
Fifangarona mahafaty: Ny fomba fampiasan'ny governemanta ao MENA ny lalàna mikasika ny heloka an-tambajotra sy ireo rindrambaiko mpijirika mba hikendrena ireo mpikatroka
Mbola mamorona lalàna mikasika ny heloka an-tambajotra foana nireo governemanta ao amin'ny Gôlfa mba ho toy ny fiarovana tsy ara-drariny nefa eken'ny lalàna natao hikendrena ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona.
Nandefa kasikety ‘Make Wall Great Again’ ilay Shinoa mpanakanto Badiucao, ho fanoherana ny fiverenan'ny orinasa Google ao Shina
"Tiako hahafantatra ny [Google] fa fahadisoana ny miara-miasa amin'ny sivana ao Shina. Mahamenatra toy ny rindrin'i Trump izany, fa amin'ity indray mitoraka ity dia rindrina tsy hita maso anaty aterineto - ny aroafo lehibe."
Hitondra Soa Ho An'ny Vehivavy Frantsay Tokoa Ve Ny Lalàna Momba Ny Fanadalàna An-dàlambe ?
Sarotra ampiharina ilay lalàna : tsy tratra ambodiomby, ny fotoana ahitan'ilay niharam-boina ireo andiany manao fisafoana, dia na lasa ireo nahavita ny heloka na mandà Sarotra ny fampiharana ilay lalàna, hoy ireo mpitandro filaminana belza niresahanay : tsy misy mihitsy ny tratra ambodiomby... ary mandrapaha-hitan'ilay niharam-boina mpitandro filaminana manao fisafoana, sy rehefa tonga ny mpanao fisafoana : na lasa ireo mpanao heloka na mandà
Niteraka fahatezerana ny fiantsoana hanolana vehivavy mpanao gazety iray avy amin'ny propagandista iray ao Makedonia
Naaton'ny masoivohom-baovaom-panjakana Makedoniana (MIA) ny mpiasan'ny fampahalalam-baovao sy ilay mpanao fampielezan-kevitra malaza Cvetin Chilimanov tamin'ny 3 Oktobra taorian'ny niantsoany fanolanana mpanao gazety vahiny iray Valerie Hopkins tao amin'ny Twitter.
Rahoviana i Ejypta vao hamotsotra ilay mpanao gazety mpaka sary Mahmoud Abu Zeid aka Shawkan?
Iray volana mahery taorian'ny didim-pitsaran'ny fitsarana Kairo izay noraisin'ny maro fa fiafaran'ny fijaliany, dia mbola any am-ponja foana i Shawkan.
Maldiva: Fanakatonan'ny Blaogin'ireo Mpanohitra Sy Mpanenjika Silamo
Vohikala marobe nampangaina ho mpanohitra sy mpanenjika silamo no tsy azo idirana intsony ao Maldiva. Nanome baiko ny Tomponandraikitry ny Serasera [Telecommunication Authority of Maldives (TAM)] ny Minisitry ny Raharaha Silamo mba hanakatona ny fidirana amin'ireo vohikala ireo.