Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, misahana ny fahafaha-miteny sy ny sivana an-tserasera izy ireto. ·

RSS

Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Mey, 2013

Hafatry Ny Peroviana Ho An'ny Filoha: Tsy Azo Ifampiraharahana Ny Zonay Ao Anaty Aterineto

Ny nahatonga ireo tambajotranà ONG Peroviana fanta-daza, isan'izany ny RedGE sy ny Hiperderecho, hanao fanentanana hitaiana amin'ny Filoha Ollanta Humala Tasso hametraka fetra maza sy tsy azo hifampiraharahana, mba hahafahana matoky fa voahaja ny zo fototry ny Peroviana ao anatin'ny TPP. Mety hanamafy kokoa ny endriky ny lalàna Peroviana momba...

Bilaogera Etiopiana Higadra 18 Taona An-tranomaizina Noho Ny Fandikana Ny Lalampanorenana

Tao amin'ny habaky ny Electronic Frontier Foundation no nahitana ity lahatsoratra ity voalohany. Nasiam-panovana izany ho an'ireo mpamaky ny Global Voices Advocacy. Tamin'ny 1 Mey, nohamafisin'ny Fitsarana Tampony Etiopiana ny fiampangana sy ny sazy henjana azon'ilay mpanao gazety an-tserasera nahazo loka Eskinder Nega, izay hiatrika sazy 18 taona an-tranomaizina ankehitriny. Nosamborina tamin'ny...

Kamerona: Enoh Meyomesse, Bilaogera Mbola Any Am-ponja

Mpanoratra Kamerone sady mpibilaogy atao hoe Enoh Meyomesse no voafonja any Yaoundé, renivohitr'i Kamerona, nandritra ny 17 volana mahery. Voahendrikendrika ho nangalatra sy nivarotra volamena tsy ara-dalàna izy, nohelohin'ny tribonaly miaramilan'i Yaoundé higadra nandritra ny fito taona an-tranomaizina izy, taorian'ny dingana maro izay heverin'ireo fikambanana maro ho tsy ara-drariny. Maro...