Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Avrily, 2016
Fampiharana Vaovao Manampy Ireo Olom-pirenena Hamantatra Izay Fantatr'ireo Mpamatsy Aterineto Ao Hong Kong Momba Azy Ireo
Mamoaka taratasy iray ho an'ireo mpampiasa azy ho alefa amin'ireo mpanome tolotra aterineto sy ireo orinasam-pifandraisana amin'ny finday ny Access My Info mba hangatahany angon-drakitra mikasika azy ireo ihany.
Nahena 18 Volana ny Sazy 12 Taona an'Ilay Iraniana Mpanao Sariitatra Atena Farghadani
"Ho an'ireo mpanao sariitatra rehetra manerana an'izao tontolo izao:aleo isika manara-maso sy miteny ho an'i Atena Farghadani "
Nanjary Fitaovam-piadiana Hamelezana Ireo Mpilalao Horonantsary Mamoafady Rosiana Ny Tolotra Famantarana Endrika (FindFace)
Nanatontosa hetsika famoahana ny anaran'ireo vehivavy mpilalao sarimihetsika vetaveta ny mpiserasera imageboard “Dvach” (2chan) ao Rosia, amin'ny fampiasana ny tolotra vaovao antsoina hoe “FindFace.”
Netizen Report: Ilay Fotoana Nahafatesan'ny Aterineto Tao Ekoadaoro
Tapaka vetivety tsy amin'ny antony ny aterineto tao Ekoadaoro, vidina lafo ny fanevatevana ny filohan'i Tanzania, mampiahiahy ny fametrahana ny Twitter tao Shina, sy ny sisa maro hafa.
Hanery Ny ‘Bilaogy Ara-Politika’ sy ny Tranonkalam-baovao Hisoratra Anarana Amin'ny Fanjakana i Malayzia
Niampanga ny tolo-dalàna ho famerana ny fahalalahana maneho hevitra ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy ny mpiaro ny fahalalahan'ny media, milaza fa mamadika ny fampanantenana teo aloha nambaran'ny governemanta fa hampiroborobo ny fahalalahan'ny aterineto ny zava-misy.
Kilalaon'i Aliyev, na Fandraisana ireo Gadra Politika ao Azerbaijan
"Tapitra ny fanaovana takalon'aina anay. Afaka izahay izao! Maniry fahafahana ho an'ny namantsika rehetra mbola tafajanona any am-ponja aho.."
#TwitterisDead (Maty Ny Twitter): Izany No Ahian'ireo Mpanohitra Taorian'ny Nandraisan'ilay Orinasa Ny Manamboninahitra Fahiny Tao Amin'ny Tafika Shinoa Hiasa Ao
"Loza henjana mitatao amin'ireo Shinoa mitolona hisian'ny fahalalahana maneho hevitra io."
Amin'ny Volavolan-dalàna Mifehy Ny Heloka Antserasera Ao Brezila, Lasa Miasa Ho ‘Andrimasom-Pokonolona’ Ny Media Sosialy
"Raha misy olona manala baraka mpanao politika ao amin'ny sehatra haino aman-jery sosialy, voatery hanaisotra ny votoaty ao anatin'ny 48 ora farafahaelany ilay sehatra. Raha tsy izany, miara-tompon'andraikitra amin'izany votoaty izany ihany koa ilay orinasa ary tsy maintsy manonitra amin'ilay mpanao politika nalaina baraka. ."
Mpikatroka LGBT Nosamborina Nandritry Ny Diaben'ny Taombaovao Bengali, Navotsotra Taty Aoriana Kely
Nitàna olona dimy ny polisy, noho ny filazana azy ireo ho nanao fitondrantena nampiahiahy sy ny filazana azy ireo ho nanandrana hanatanteraka fivorian'ny pelaka".
Bilaogera Iraniana Mitolona Ho Amin'ny Fahasalamana Sy Ny Fahalalahana Taorian'ny 18 Andro Nitokonana Tsy Nihinan-kanina
Nitokona tsy nihinan-kanina nanomboka tamin'ny 26 Martsa i Hossein Ronaghi Maleki ilay bilaogera sady mpikatroka manohitra ny sivana. Miharatsy ny fahasalamany.