Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Oktobra, 2020
Mpikatroka mitaky ny hamaranana ny fanakatonana aterineto naharitra herintaona ao amin'ny fanjakana Rakhine sy Chin ao Myanmar
Ao anatin'ny valan'aretina misandrahaka manerantany, mbola ilaina bebe kokoa noho ny mahazatra ny torohay.
Sivanin'ny vaomieram-pifidianana ao Myanmar ny kabarin'ireo antoko politika mifaninana amin'ny fifidianana
"Ity fanivanana ity dia toa zavatra nataon'ny jadona. Tsy tokony hanakorontana ny feon'ny antoko izy ireo. Tsy tokony hisy ve ny fahalalahana maneho hevitra?"
Mpikatroka mpanoratra an-gazety Vietnamiana nosamborina ho manao ‘fampielezan-kevitra manohitra ny fanjakana’
Tsy mila fahalalahana ho an'ny tenako irery aho, ho mora loatra izany. Mila zavatra lehibe kokoa aho: fahalalahana sy demaokrasia ho an'i Vietnam manontolo. Mety hitovy amin'ny tanjona lehibe iray io, saingy azo tanterahana feno, miaraka amin'ny fanohananareo.
Tokony heverina ho teny fankahalana ny fitsipahana fisian'ny Holocaust ao amin'ny Facebook, hoy ny fitakian'ireo sisa niangana
Tsy tahaka an'i Eoropa, izay mametraka ny kabarim-pankahalàna ho heloka bevava noho ny niainan'ny ankamaroan'ireo firenena ireo ny horohoron'ny Ady Lehibe Faharoa, dia tsy manana lalàna tahaka izany kosa eo amin'ny sehatra manerana ny firenena i Etazonia.
Avotsory Muay: Vondrona mitaky ny famotsorana ilay mpiaro ny tontolo iainana Laosiana olomangan'ny tambajotra sosialy
"Sahy nijoro niaro ny tontolo iainana i Muay. Tsy mendrika ny hampidirina am-ponja noho ny fahasahiany mijoro i Muay."
Ny fiandohan'ny sivana aterineto tany Alemaina
Tao anatin'ny andro telo, sonia 50.000 no azo – ny isa ilaina mba ho azon'ny parlemanta dinihana ny amin'ilay fanangonantsonia...Tao anatin'ny fetra 6 herinandro, olona 130.000 no nahavita sonia, nahatonga io fanangonantsonia io ho ny iray isan'ny nahangona sonia betsaka indrindra sy nahomby teo amin'ny tantara.
Niteraka ahiahy momba ny zon'olombelona ny lafatra ‘fiarovana an-tserasera’ vaovao any Oman
Nandany didy hitsivolana vaovao manome fahefana feno ho an'ny manampahefana hifehy ny aterineto sy ny angondrakitra rehetra ampitaina ao amin'ny firenena ny Soltanà an'i Oman.
Facebook, mandà ny fiampangàna azy ho manampy trotraka ny kabarim-pankahalàna sy mpomba ny BJP ao India
Ny 16 Septambra, namoaka fanambaràna iray ny lehiben'ny Facebook ao India nandàvany ireo fiampangana ity goavan'ny media sôsialy ity ho maka tombony amin'ny fanomezana sehatra ny kabarim-pankahalàna ao India.
Ao Krimea, tsy lanin'ny vavonin'ny hafa ny fisian-dramatoa Liza Bogoutskaïa sy ny fombàny an'i Okraina
Ny fombany tsy mitsitsy teny manohitra izay heveriny ho toy ny fibodoana tsy ara-dalàna ataon'i Rosia ao Krimea toerana nahaterahany dia nahatonga an'i Liza Bogoutskaïa ho olona iray ankafizin'ireo mpomba an'i Okraina ety anaty tambajotra. Fa izany koa anefa dia nahatonga azy ho fahavalon'ny fanjakana rosiàna
Nosakanana ny tranonkala nampiseho ny fanaovan'ny miaramila kolikoly any Myanmar
"Asehon-dry zareo ny fitomboan'ny tsy fandeferan'ny governemanta manoloana ny fahalalahana maneho hevitra izany ary miezaka manafina ny heloka bevava sy ny kolikoly ataon'ny miaramila. "