Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Mey, 2016
Fotoana Izao Hanoherana Ny Kabarim-pankahalana Antserasera Ao Myanmar
Nanangana pejy Facebook natokana hiadiana amin'ny fitomboan'ny tranga kabarim-pankahalana ao Myanmar ny mpikatroka. Fantaro ny “Tetikasa Tsy Mila Kabarim-pankahalana.”
Lalaon'ny Hanoanan'ny Azerbaijan: Eo Amoron-tevana Ireo Media Tsy Miankina
"Manambara eto indray izahay, amin'ny fanokafana io fanadihadiana heloka bevava tsy misy dikany io, mametraka fefy amin'ny fahalalahana miteny sy ny asan'ny mpanao gazety ary manempotra ny fiarahamonina demaokratika ny governemantan'i Azerbaijan."
Netizen Report: Hanaisotra ny Fahazoan'ny Rehetra Mampiasa Lahatsary sy Hira Ny Volavolan-dalàna Shiliana Misahana ny Fizakamanana
Nandresy tao amin'ny fitsarana tao Azerbaijan i Khadija Ismayilova, mpanao gazety. Nosakanan'i Vietnam noho ny hetsi-panoherana ny Facebook sy ny Instagram. Natsipin'ny Antenimieran-doholona Nizeriana ny ‘volavolan-dalànan'ny media anti-sosialy’.
Nivoady Tsy Handràra Ny WhatsApp, Skype Sy Ny Antso Viber Ny Minisitra Ghaneana
"Methinks the telcos need to smell the coffee because the traditional 'voice game' is over, and with it, the monopoly profits they used to make." "Mieritreritra aho fa ny mpandraraha amin'ny fifandraisandavitra mila manimbolo ny kafe, satria vita hatreo ny 'filalaovana antso' mahazatra teo aloha, ary miaraka amin'izany, ny ampihimamba tombony nataony."
Venezoela: Fikarohana Manamafy Ny Fisian'ny Sivana Atao An'ireo Sehatra Filazambaovao, Tranonkalam-pifanakalozana Ara-Bola
Hitan'ilay fanadihadiana ihany koa fa ireo rehetra eo an-toerana mpanome tolotra aterineto mampiasa fibahanana anaran-tsehatra DNS (domain name system), teknika izay anomezan'ireo lohamilina mpanome anaran-tsehatra valiny diso ho an'ireo fangatahana ho anà sehatra iray voafaritra.
Nanangana Sehatra Ho amin'ny Mangaraharan'ny Firenena i Meksika
Manana fitaovana vaovao hiadiana amin'ny kolikoly i Meksika. Saingy ho hita eo ny fahombiazany amin'ny fampiharana azy.
Miverina Amin'ny Laoniny Ankehitriny Ny Media Sosialy Ogandey Rehefa Avy Notapahana Nandritra Ny Andro Maro
Nandidy ireo tranonkala hikatona noho ny "antony ara-pilaminana" ny Vaomieran'ny Fifandraisana tao Oganda talohan'ny fanokanana ny filoha Yoweri Museveni. Nanakana ny fidirana tamin'ny media sosialy ihany koa ny manampahefana nandritra ny fifidianana tamin'ny volana Febroary.
“Mitsikilo Ny Olom-pireneny” Ny Mpitondra Mozambikana, Araka Ny @Verdade
Ny lehiben'ny tafika no nisahana ny fanaraha-maso ny serasera teo anelanelan'ny 2012 sy 2014, ary ny Shinoa ZTE Corporation no nametraka ny rafitra. Voalaza fa nanomboka tamin'ny 2013 ny fihainoana ny fifandraisan'ireo olom-pirenena.
Voaheloka Dimy Taona Sy Efa-Bolana An-tranomaizina Ilay Ethiopiana Bilaogera Sady Mpikatroka
Nampifandray ny fampiasana ny fiarovana nomerika sy ny fampihorohoroana ny mpampanoa lalànan'ny fanjakana ao Ethiopia. Mitovy hevitra azy amin'izany ny mpitsara ao antoerana.
Mpikatroka Mafana Fo Tsy Mpitondra Fivavahana Nokendrena Ary Novonoina Tany Bangladesh
Mpianatra amin'ny taranja lalàna, 28 taona, novonoinà mpamono olona telo tany Dhaka, Bangladesh, ny 7 Aprily 2016. Toa ireo tsikerany amin'ny fivavahana mitàna ny nentin-drazana no tena nikendrena ilay tovolahy.