Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Oktobra, 2013
GV Face: “Advox” Amin'ny #IGF2013
Mivantana avy ao Bali, ao Indonezia, araho ny resadresaka ataon' ireo Advoxer: Hisham Almiraat, Ellery Biddle, Sana Saleem, Nighat papa, sy ireo namana hafa ao amin'ny GV mikasika ny olana momba ny zon'ny mpiserasera mandritra ny hetsika amin'ity taona ity.
Zambia: Tandremo Ny Aloaky Ny Vavanao — Mihaino Ny Filoha
Mahita ireo fitaovana fanaraha-mason'ny governemanta eo ambany seza fiandrianany, ary eny fa na any am-pandriany aza, ireo lehiben'ny vondrom-poko ao Zambia.
GV Face: Mitolona Ho Amin'ny Fisokafan'ny Aterineto Ao Brezila

Amin'ity herinandro ity ao amin'ny GV Face, hiresaka momba ny Marco Civi da internet miaraka amin'ilay mpanoratra Breziliana Raphael Tsavkko, sy ilay manam-pahaizana manokana momba ny politikan'ny aterineto, Carolina Rossini sy mpanoratra Breziliana hafa iray Joana Varon isika.
Nampijaliana Ny Namako Satria Mibilaogy
Olo-tsotra i Safy izay niasa teo amin'ny sehatry ny informatika saingy taorian'ny fitifiran'ny polisy misahana ny rotaka ny namany nandritra ny herinandro voalohany nanombohan'ny revolisiona, tsy nety taminy intsony ny ho "olo-tsotra"
Hanameloka Ny Fanelezan-tsaho Ety Anaty Tambajotra Sosialy Ve Ireo Mponina Ao Ekoatera?
Ireo fepetra vaovao natolotra hiadiana amin'ireo fanalàm-baràka et anaty tambajotra sosialy, anisan'izany ny fametahana ireny fakantsary miafina any amin'ny "Cyber Café" ireny, dia mety hisy fiantraikany lehibe eo amin'ny fahafahana maneho hevitra sy ny fiainana manokana.
Azia Atsimo Atsinanana: Lasa ny Didy Jadona, Mbola Mitoetra Kosa ny Fanivanana
Mbola henjana ny sivana any amin'ireo firenena maro ao Azia Atsimo Atsinanana na ao anaty aterineto izany na tsia, amin'ny alalan'ny fampiasana lalàna fanaovana didy jadona sy fampanarahan-dalàna henjana ny media.