Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Febroary, 2011
Vehivavy Saodiana Mangataka ny Zon'Izy Ireo, any anaty Twitter
Vanim-potoanan'ny fiovàna izao any Afovoany Atsinanana sy ny Tontolo Arabo ary tsy te-ho tara amin'izany ireo vehivavy Saodiana. Mandefa ny fangatahana fitoviana izao ry zareo any anaty aterineto any - ao amin'ny Twitter, Facebook, anaty sehatra fifanakalozan-dresaka sy bilaogy samihafa.
Voasambotra tamin'ny maraina teo ilay mpitoraka blaogy Siriana Ahmad Abu al-Khair
Nitatitra ireo namana akaikin'ilay mpitoraka blaogy Siriana Ahmad Abu al-Khair fa nosamborina tamin'ny 5ora maraina teo tany an-toerana izy raha avy any amin'ny tanàna Banias hiverina ho any Damaskaosy. Araka ny nambara dia nalain'ireo mpitandro filaminana ihany koa ireo solosainany manokana. Hatramin'izao aloha dia mbola tsy fantatra na ny toerana misy azy na ny antony nisamborana azy.
Sakànan'i Bahrain ny Pejy Youtube sy ny Hafa koa
Eo anatin'ireo hetsi-panoherana ao Manama renivohitr'i Bahrain izay nitarika taminà fisamborana olona maherin'ny 200 sy namoizana aina iray raha kely indrindra, ny fijoroana vavolombelona dia milaza fa nijabahan'ny governemanta ny...
Sina: Torolàlan'ny sivana tamin'ny Janoary 2011
Any Sina, ireo torolàlana mikasika ny fanivanana dia avoakan'ireo manam-pahefana maro ao amin'ny Fitondrana sy ny CCP. Nanao dikanteny torolàlana maro nivoaka tamin'ny Janoary 2011 ny China Digital Times mba...
Ejipta: Fitohitohizan'ny fahatapahan'ny fifandraisana nandritra ny fihetsiketsehana 2011
25 Janoary 2011 no andro nidinan'ny vahoaka ejiptiana an-dàlam-be, tonga avy amin'ny faritra maro hanao fihetsiketsehana manohitra ny filoha Mubarak sy ny fitondràna eo an-toerana. Nafana ny fampiasan'ireo mafana fo...
Fahalalahana miteny eny amin'ny toeram-pianarana ambony: Voakiana ny Politikan'ny Anjerimanontolon'i Massachusetts
Zavatra iray saropady ny resaka fahalalaham-pitenenana eny amin'ny toeram-pianarana any Etazonia, ary lahatsoratra iray ao amin'ny Huffington Post no namerina indray mandeha indray ny adihevitra mikasika izany. Tamin'ny 2009, niresaka...
Sina: Faneriterena sivana avy amin'ny sehatra tsy miankina
Tsy zoviana intsony fa tsy maintsy manaraka ny fepetra fanivànana avy amin'ny fahefam-panjakàna samihafa ireo mpamatsy aterineto any Sina. Na izany aza, miaraka amin'ny fisondrotan'ny orinasa tsy miankina mifandray betsaka...