Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Jolay, 2023
Misongadina ho sehatra farany ao Kambodza “noana vaovao” ny Kamnotra
Nisy vohikala vaovao natsangan'ny Cambodian Center for Media Independent (CCIM na Foibe Kambodziana ho amin'ny Fampitam-baovao Mahaleotena) ao anatin'ny fanakatonana an-katerena ireo fampahalalam-baovao tsy miankina sy ny fandravana ireo habaka sivily ao Kambodza.
Mialoha ny fifidianana, manolo-tena hiaro ny zo nomerika ireo antoko politika ao Tailandy
"Mialohan'ny fifidianana ho avy ao Tailandy, nanolo-tena hankato sy hampiditra ny fiarovana ny zo nomerika ao anatin'ny diarin-dry zareo ireo antoko politika".
Ny farany havanana vaovao ao amin'ny media sosialy Tiorka sy ireo teny mamely ny mpitsoa-ponenana
Manomboka amin'ny fanambarana fanavakavaham-bolon-koditra ampahibemaso ataon'ireo mpitarika ara-politika farany havanana ka hatramin'ny filazana fa mampiely vaovao tsy marina handrisihana herisetra ny masoivohom-baovao, ataon'ny media sosialy tsy azo antoka ny fiainana ho an'ny mpitsoa-ponenana ao Tiorka.
Mbola mitohy ny famoretan'ny fitondrana Belarosiana ny fiarahamonim-pirenena
Mihamiakatra ny isan'ny gadra politika ao Belarosia; araka ny filazan'ny Foiben'ny Zon'Olombelona Viasna, tamin'ny faran'ny volana Jona teo dia 1.496 no nidoboka am-ponja noho ny fiampangana ara-politika.
Mitohy ny fanoherana ao Iran, mamaly bontana ny fitondrana
Raha nivoatra ny fifandraisana tamin'ny Tandrefana, nivoaka hidarodaroka ireo mpikatroka sy mpisintaka, na ao an-toerana na iraisampirenena tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay ny fitondrana Iraniana.
Mahita tombony avy amin'ny nofy ratsy ao Myanmar ve ny Telegram?
Misy fantsom-pifandraisana manahirana, mitombo eo amin'ny tsenan'ny Myanmar Telegram, saingy tsy noraharahian'ilay orinasa ilay olana.
Mety hanimba ny asan’ny mpanao gazety ny lalàna vaovao momba ny fampitam-baovao any Papouaise-Nouvelle-Guinée
"Fanontaniana tsotra no apetrakay, inona no afenintsika tsy hohadihadian'ny daholobe?"
Topimaso itodihana amin'ny fampiasana ny IA (HVO) ao Azia Andrefana sy Afrika Avaratra
Amin'ny ankapobeny, matetika mameIa hisian'ny fanarahamaso bebe kokoany fampiasana ny teknolojian'ny Haranitan-tsaina Voatr'Olombelona, ka mahatonga azy ho tena mampatahotra any amin'ireo fitondrana tsirefesimandidy.
Nandao ny Facebook ny praiminisitra kambodziana taorian'ny fitenenan'ny Filankevitra Mpanaramaso
Nofafan'ny Praiminisitra Kambodziana Hun Sen ny kaontiny Facebook ofisialy taorian'ny nandrisihan'ny Birao Mpanaramason'ny Meta hampiatoana ny kaontiny mandritra ny enimbolana taorian'ny nizarany lahatsary mandrisika herisetra.