Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Desambra, 2010

Nepal: Mpanao gazety notafihana noho ny fanaovana tatitra iraisam-pirenena

  25 Desambra 2010

Shreedeep Rayamajhi, mpanao gazety Nepale dia sady mpanao gazety no mpitoraka bilaogy matihanina, manoratra ho ana Fikambanana Fampahalalam-baovao iraisam-pirenena toy ny GroundReport sy ny  CNN's iReport.  Rayamajhi dia manoratra ihany koa ho ana gazety an-tsoratra manana ny lanjany ao an-toerana ihany, toy ny ‘the Nepal Travellers Publication’, sady miasa ho...

Venezoela: lany ilay volavolan-dalàna handrindràna ny aterineto

  25 Desambra 2010

Tamin'ny Alatsinainy 20 Desambra lasa teo, dia nandàny ny volavolan-dalàna izay manome fahefana ireo Mpanatanteraka handrindra ireo zavatra rehetra azo tsidihana ao amin'ny Aterineto any Venezoela ny Parlemanta Venezoeliana. Amin'ny alalan'ny sampan-draharaham-pitantanana, ny CONATEL, dia manana andraikitra hisakana ireo zavatra rehetra mety hifandona amin'ny antoko faha 28 sy 29 ireo ISP mpanome tolotra aterineto rehetra any Venezoela

Shina: Tsy misy “seza foana” nahazo alalana hiseho aterineto

  11 Desambra 2010

Tsy afaka nanatrika ny lanonana Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana tany Oslo, Norvezy, natao omaly i Liu Xiaobo sy ny vadiny. Nanokana “seza foana” (tsy misy olona) ihany ny Komitin'ny Loka Nobel ho toy  ny fanamarihana hoe nanatrika teo i Liu. Ho mariky ny fanohanan-dry zareo an'i Liu sy hanapariahana...

Iran: “Voaheloka ho faty ny mpamorona tranokalam-betaveta iray”

  09 Desambra 2010

Miatrika sazy fanamelohana ho faty any Iran i Saeed Malekpour, mpanangana tranonkala, noho izy voapanga ho nanaingo tranonkala natao ho an”olon-dehibe”. Tranonkala Iraniana vitsivitsy no nanoratra fa Malekpour no tena mpitantana ny Avizon, tranonkalam-betaveta henjana, ary tsy gadra politika mihitsy izy.

Tonizia: Mitohy ny sivana, manohy ny diany ireo Telegraman'ny Wikileaks

  08 Desambra 2010

Nitsoratsoraka tamin'ireo Cables (Avy amin'ny mpandika: ndeha hatao hoe "hafatra maika") farany Wikileaks nalefan'ny Masoivoho Amerikana ary nanolotra tranonkala vaovao hemerenana mamoaka sy miady hevitra momba ireo ampamoaka mikasika ny firenen-dry zareo ny mafàna fo Toniziana. i Nawaat no namokatra ny Tunileaks, ora iray taorian'ny nipariahan'ireo hafatra nalefan'ilay tranonkala tamin'ny Alahady 28 Novambra.

Hetsika ho fampanginana ny Cablegate sy ny Wikileaks, loza mitatao amin'i Assange

  07 Desambra 2010

Tandindonin-doza i Julian Assange, mpanangana ny Wikileaks ary iharan'ny fanenjehana ny tetikasany Wikileaks. Herinandro taorian'ny namoahana ireo antontan-kevitra marobe nokilasiana ho tsiambaratelo, antsoina hoe CableGate, hatramin'ireo mpanao politika àvy no nilaza ny fanirian-dry zareo “hihaza azy” sy hahita azy “maty“. Manja ery ny famintinana ireo fanehoan-kevitra nataon'ny OpenDemocracy: Araka ny...

Manampy HTTPS ny YouTube; tafiditra ny Siriana, Toniziana, saingy…!

02 Desambra 2010

Tany anaty vaovao ny HTTPS tato ho ato; voalohany, noho ny Firesheep, rindrambaiko izay manome fahafahana ireo mpampiasa ny WiFi hitroka ireo cookies sy hangalatra ny fidiran'ireo mpampiasa tambajotra sosialy raha tsy mampiasa ny HTTPS izy ireo. Vokatr'izany, niainga ny fanentanana iantsoana ireo orinasa mba hanome HTTPS “par défaut” ary dia...