Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Avrily, 2017
Nanakana Sehatra Media Sosialy Miisa 22 Tao Kashmir Ny Governemanta Indiana
"Amin'ny fanehoana ny lafiny hafa amin'ny tantara ao Kashmir, afaka naneho nandritra ny fotoana kely ny hasarotry ny tantara sy ny fifandirana tena sarotra ao Kashmir ny mponina ao an-toerana ."
Lohalaharana ao Azia i Taiwan Raha Nihemotra Toerana Efatra Kosa i Hong Kong ao Anatin'ny Tondro Momba ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety
"Nilaza fitomboan'ny tsindry ny ankamaroan'[ireo mpiasa amin'ny media ao Hong Kong], izay miteraka fanivànan-tena iniana atao."
Miatrika Fanamelohana Bevava Noho Ny Fampiasana Amin'ny Tsy Tokony Ho Izy Ny Solosaina Ilay Ogandey Mpampianatry ny Anjerimanontolo Sady Mpitarika Ny Fanentanana Sy Fanabeazana Ho An'ny Fampiasana Salaka
Lasa anton-javatra hirohotan'ny Ogandey izay manohitra ny fitondran'i Musveni ny tantaran'i Nyanzi.
Te Hiditra Mora Foana Amin'ny Tahirin'ny Fihaonan'Olon-droa Antserasera Ny Manampahefana Rosiana
Manantena hahita fitiavana ao Rosia ve ianao? Raha eny, ary mikasa hampiasa aterineto mba hihaonana amin'ny olona ve ianao, tsy dia an-takonana araka ny antenainao angamba ny tohiny.
Netizen Report: Mpanao Gazety Meksikana Nahazo Fandrahonana Antserasera, Ary Maty Nisy Namono Avy Eo
Nahitana fanapahana tolo-pifandraisana fototra tao Kashmir, nampandoavina onitra ny mpanakanto Japoney iray noho ny sarin'ny fivaviany 3D ary milaza amin'ireo mpisera Facebook mba "tsy hanjohy" ireo mpitsikera telo ny fanjakana i Thailandy.
Hisafidy Poizina? Ny Ortodoksia Rosiana sa ny Fandraràna Tsy Hampiasa Media Sosialy ?
Ireo mpanakiana an'i Vitaly Milonov, angamba ny faran'izay fatra-pifikitra amin'ny nentin-drazana mora tohina indrindra ao amin'ny Parlemanta Rosiana, dia nivoady ny hanao izay handraràna azy tsy hampiasa media sosialy ao amin'ny VKontakte, ilay tambajotra sosialy malaza indrindra ao Rosia, izay amoahany "fomba fiteny voarara" ao amin'ny mombamomba azy ety anaty aterineto
Milaza Amin'ireo Mpiserasera Aterineto Mba Tsy Hanjohy Ireo Mpitsikera Ny Fitondrana Miaramila Ao Amin'ny Media sosialy i Thailandy — Raha Tsy Izany Hiatrika Ny Vokany
Niroboka lalindalina kokoa ny manampahefana Thailandey tamin'ny famerana ny fahalalahana miteny ho an'ny vahoaka. Taorian'ny fanagadrana olona noho ny zavatra lazain'izy ireo anaty aterineto sy ivelan'ny aterineto, sy ny fanenjehana ireo mpitsikera an-tsesintany, te hanapaka ny fifandraisan'ny olona izy ireo
Netizen Report: Nahitana Fanakatonana Aterineto in-31 i India Tamin'ny Taona 2016. Firy ny Fanakatonana Tao Amin'ny Firenenao?
Miaritra fanafihana antserasera ny fampahalalam-baovao tsy miankina ao Venezoela, mety hampiasa fanarahamaso faobe mba hanasaziana ny "fanomanana" heloka bevava i Japana, ary mitaky backdoors amin'ny fampiharana fandefasan-kafatra misy fanafenan-tsoratra ny Fanjakana Mitambatra.
Sivana Nihanjahanja: Fahitalavi-panjakana Iraniana Manapaka Fandaharana Eny Antenantenan'ny Fehezanteny
Tanatinà fisomparana fandaharana tsy mahazatra tamin'ny herinandron'ny 14/04, notapahan'ny tambajotra ofisialin'ny haino aman-jerim-panjakana ao Iràna teny antenatenan'ny fehezanteny ny fahan'ny lahatsary iray mivantana, nanivana ny fandrakofana ny fifidianana.
Rosia: Sambany Misy Fampiharana Vahiny Natao Fampitàn-kafatra Nampidiriny Ho Ao Anatin'ny Firaiketana Federaly
Sambany hatramin'izay, no nampidiran'ny Roskomnadzor, ilay mpanivana federaly ao Rosia, fampiharana fampitàn-kafatra avy any ivelany ao amin'ny aterineto ho ao amin'ny " firaketana ireo fandrindràna sy fandefasana vaovaony", ny orinasa Soisa Threema.