Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Janoary, 2022
Loka Golden Horse Film Awards ao Taiwan, nanasongadina ireo famokarana nosivanin'i Hong Kong
Nanokatra habaka teo amin'ny tsena iraisampirenena ho an'ireo famokarana sarimihetsika tsy miankina sy tsy dia ara-barotra loatra avy ao Hong Kong ny fanaovana ankivy nataon'i Beijing ny Golden Horse Film Awards
Hitan'ny kiadin'ny aterineto misy lesoka ny fanafenan-tsoratry ny fampihatra tsy maintsy apetraka amin'ny lalao olaimpika shinoa
Takiana ireo atleta, mpanao gazety ary ireo mpanatrika ny Olaimpika Ririnina any Beijing rehetra mba hampiasa ny fampiharana My2022 kanefa mety ho voasintona antenatenan-dalana ny angon-drakitra nomena tamin'ny alalan'ny fampiharana.
Nilaza fa nijirika ny rafitra lalamby ireo mpikatroka anjotra Belarosiana mba hanoherana ny hetsiky ny miaramila Rosiana
Nilaza ny vondrona mpijirika fa vonona ny hanolotra ny fanalahidin'ny fanafenana izy raha toa ka avotsotra ireo gadra politika Belarosiana 50 izay miharatsy ny fahasalamany ary "sakanana" ny fisian'ny tafika Rosiana ao amin'ny firenena.
Mitohy ny famoretana ny fampitam-baovao mialoha ny tsingerintaonan'ny fanonganam-panjakana ao Myanmar
"Izy no mpanao gazety fahatelo novonoina tao Myanmar tao anatin'ny iray volana latsaka, mariky ny fomba tsy azo ekena mihitsy izay vao maika ampiasain’ny fitondrana miaramila."
Nesorin'i Google ny doka YouTube ahitana ny famotopotorana ireo gadra politika Belarosiana
Nampiasaina hampiroboroboana ireo fantsona mpomba ny governemanta ireo lahatsary fohy, izay manasongadina ireo mpikambana ao amin'ny mpanohitra sy ireo mpanao gazety mahaleo tena nogadrain'ny fitondrana Lukashenka izay toa hita fa fiaiken-keloka natao tao anatin'ny fanerena.
Tsy niraharaha ny fangatahan'ny governemanta malayziana hanivana sioka momba ny famaliana tondra-drano ny Twitter
Voapetaky ny governemanta malayziana marika hofafàna ny rantin'ireo mpisera Twitter mitsikera ny fitarazohan'ny fomba fiasan'ny governemanta tamin'ny tondradrano, nampahafantarin'ny Twitter ny mpiserany ny fangatahana fa tsy nosivaniny.
Resin'ny mpampiaina radiôm-piarahamonina indizeny tany amin'ny Fitsarana inter-amerikana ny Fanjakana Goatemalteka
"Kihon-dalana ho an'ny radiôm-pokonolona ao Goatemalà ny didy nivoaka", hoy ny iray amin'ireo tobim-pampielezampeo nametraka ny fitoriana.