Inona no ao ambadik'ireo ‘hirika volamena’ entin'ilay fiarahamiasa vaovaon'ny vondron'orinasa media maleziàna Star amin'ilay mpiaramiasa aminy avy any amin'ny tanibe Shina

Tranonkala ôfisialin'ny Vondrona Media Star. Sary nopihan'i Oiwan Lam

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i David Bandurski ary  navoaka voalohany tao amin'ny China Media Project tamin'ny 9 Aprily 2024. Dika iray nasiam-panovàna no avoaka eto ambany ho ampahany amin'ny fifanekena hifampizara votoaty amin'ny China Media Project.

Tamin'ny herinandro lasa, nambaran'ny Star Media Group (SMG), iray amin'ireo vondron'orinasa media mitambatra sy lehibe indrindra ao Malezia, ny fiarahamiasa iray iarahany amin'ny  Contemporary World magazine avy ao Shina, famoahambaovao iray eo ambany fitantanana mivantan'ny Kaomity Foiben'ny Antoko Kaominista Shinoa. Tao anaty fanambaràna an-gazety iray momba ilay fiarahamiasa izay tsy nilaza mihitsy ny fisian'ny fifamatoran'ilay gazetiboky amin'ny governemanta, nilaza ny SMG fa “nifanaiky ny media roa tonta ny hiaraka hiasa hifanome  loharanom-baovao ary hitrandraka bebe kokoa ireo hirika fiarahana miasa.”

Ity fiarahamiasa ity dia ohatra iray farany indrindra fotsiny ihany amin'ny fahavononan'i Shina hanamafy ny fitaomany any Azia Atsimo-Atsinanana amin'ny alàlan'ny diplaomasian'ny media, ny fiarahamiasa, ireo fandaharanasa fanentanana amin'ny asa fanaovana gazety, ary ireo hetsika fampielezankevitra any ivelany eo ambany fitarihan'ny fanjakàna— amin'ny tranga maro, tsy misy mangarahara ho an'ny daholobe momba ireo andrimpanjakana shinoa tafiditra amin'izany.

Chan Seng Fatt (陳成發) avy amin'ny SMG, izay volana lasa teo no lasa Tale Jeneralin'ilay vondona, niantso ilay fiarahamiasa ho toy ny ‘hirika volamena iray’ hanentsenana ny banga eo anelanelan'i Shina sy Azia Atsimo-Atsinanana amin'ny alàlan'ilay antsoiny hoe “fiarahamiasan'ny media niaraha-nanapaka” Nanaovany sarinteny ihany koa ny momba ny maha-saropady ny ao amin'ny faritra iray izay mbola mijanona ho manjavozavo ny fomba fihevitra an'i Shina.  “Ao anatin'ny toedraharaha anaovan'i Shina ireo ezaka ao Azia Atsimo-Atsinanana, dia fanamby sy hirika no hitanay,” hoy izy. “Ny tena fanamby goavana dia ny sakana ara-piteny, ny tsy fifankahazoana ara-kolontsaina ary ireo tontolo pôlitika isankarazany tsy mitovy.”

Raha toa ilay hetsika nitodika tamin'ilay fiarahamiasa eo amin'ireo orinasa media roa tonta, isan'izany ny iray isan'ny goavana indrindra ao Malezia efa voapetraka eo amin'ny tsenam-barotra, dia “elefanta be tao an'efitrano” (vakio hoe nibahan-toerana) kosa ny anjara toerana diplaomatikan'ilay fiarahamiasa – ary ny rafitra mifehy azy mihodidina betsaka kokoa amin'ny kabary ôfisialin'ny fanjakana shinoa momba ny fampahalalam-baovao.

Ho an'i Shina, ny diplaomasian'ny media dia mpivoy iray tena manana lanja be ahafahana mametraka dindo amin'ny fomba fijerin'ny any ivelany sy mametraka ny fototra hisiana fifankatiavana mitera-bokatsoa — tanjona iray miavaka amin'ny hetsika fototra ataon'ireo media amin'ny fanomezana vaovao ny daholobe. Nandritra ilay hetsika tao Kuala Lumpur, tsy nahatam-bava momba io tombontsoa voalohany io tao anatin'ny kabariny  ny toniandahatsoratry ny Contemporary World (当代世界), Lu Xuejun (吕学军), nanipika ny fisian'ny fihaonana tamin'ny taona lasa teo amin'i Xi Jinping sy ny praiminisitra ao Malezia, ka nanoso-kevitra ho an'ireo mpamaky azy fa ny tanjon'ilay media dia ny “hampihatra ny marimaritra naroson'ireo mpitarika.”

Notsipihan'i Chan tao anatin'ny fanamarihana nataony fa io marimaritra io dia nifantoka tamin'ny filàna manamafy ny feon'ireo firenena andalam-pandrosoana eny anivon'ny fiarahamonina iraisampirenena. “Tsy mbola lehibe noho izao ny filàna fanatsaràna ny fahitàna sy ny fisoloantena an'ireo firenena tatsimo,” hoy ingahy Tale Jeneraly.

Io fijoroany io dia mifanandrify tanteraka amin'ny fijoroana ôfisialin'i Shina teo ambany fitarihan'i Xi Jinping, izay nanamafy fa mijaly noho ny tsy fananany hery malefaka eo amin'ny sehatra manerantany i Shina, ka noho izany dia tsy maintsy miezaka mba ” hitantara tsara ny tantaran'i Shina”.  Na eo aza ny fanaovany ho laharam-pahamehana miharihary ny fitantaràn'ny Shinoa, izay mety ho toy ny fanomezana tanjaka ireo feon'ny Shinoa isambatanolona, ny famaritan'i  Xi ny hoe tantaran'i Shina dia somary mitodika amin'ny isambatan'olona fa tsy ny maro an'isa — amin'ny fanindriany ny filàna ny fanarahamason'ny fanjakana ary nitranga tao anaty toejavatra nifanehatra tamin'ny fitomboan'ny herisetra tao anatiny.

Fantaro izay miaraka aminao

Iza marina moa ny Contemporary World, ilay gazetiboky iarahan'ny SMG?

Natsangana tamin'ny 1981, ilay gazetiboky dia tantanin'ny International Liaison Department (ILD) ao anivon'ny Kaomity Foiben'ny Antoko Kaominista Shinoa (中共中央对外联络), ilay masoivoho miandraikitra ny fikolokoloana ireo fifandraisana amin'ny fikambanana avy any ivelany sy ireo antoko pôlitika, endrika fanalahidy iray amin'ny antsoin'ny antoko hoe “asan'ny mandatehezana mitambatra.” Nandritra ny taompolo farany teo ambany fitarihan'i Xi Jinping, nitombo ny lanjan'ny ILD amin'ny maha-fitaovana iray azy ho an'ny pôlitika ivelan'i Shina.

Antontan-taratasim-piratekan'ilay orinasa mampiseho fa manana tompona petrabola iray ny trano mpanonta ny gazetiboky Contemporary World. Manana mpiara-miombona antoka iray ny Contemporary World Publishing Co., Ltd.,: Pikantsary avy amin'ny Filankevi-panjakana ao Shina.

Tao anatin'ny fandrakofany ilay fifanarahana vaovao iarahana amin'ny SMG, ny Star, media an-tambajotra iray ao anatin'ilay vondrona media maleziàna, dia milaza ny Contemporary World fotsiny ho gazetiboky iray, sy ho toy ny “orinasa-na media.” Ao Shina, anefa, mihanjahanja tanteraka ny anjara andraikitry ny Contemporary World amin'ny maha-fitaovana iray azy ho an'ny pôlitika ivelan'i Shina. Ny tena toerana fototra ho an'ny famoahan-dahatsoratra tato ho ato dia ny hanely ny  “Fisainana Xi Jinping Momba ny Diplaomasia” (习近平外交思想).

Raha toa ilay fifanarahan'ny SMG ka tena nosoniavina niarahana tamin'ilay trano mpanonta, izay mpanohana mivantana ao an-damosin'ny Contemporary World, dia ny Contemporary World Publishing Co., Ltd no mety ho mpiaramiasa aminy. Ireo mpanangom-baovao momba ny fandraharahàna ao amin'ny The Star dia mety hanomboka hisikotra avy amin'ireo rejisitra firaketana ny orinasa ao Beijing. Tsy ho ela dia ho hitan-dry zareo fa mpampiasa vola tokana monja no ao amin'ilay orinasa — ny Filankevi-panjakàna ao Shina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.