Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, misahana ny fahafaha-miteny sy ny sivana an-tserasera izy ireto. ·

RSS

Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Marsa, 2019

Shina: Fitsipika natolotra ho an'ny cybercafe

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Tamin'ny taona 2010, nanolotra soso-kevitra maromaro mikasika ny lalàna hifehezana ny cybercafe ireo mpikambana ao amin'ny Kongresim-bahoaka Nasionaly (NPC) sy ny Kaoferansa Fakankevitra Politika ho an'ny Vahoaka Shinoa (CPPCC). Mitantana ny cybercafe ny governemanta Araka ny tatitry ny fampitam-baovao tao...

Shina: Tandremo! Mamoaka tsiambaratelom-panjakana ny Google Earth 

Araka ny lalàna efa misy, mampigadra 3 ka hatramin'ny 7 taona an-tranomaizina ny fivoahan'ny tsiambaratelom-panjakana, na niniana na tsy niniana natao . Mety hahatratra 5 ka hatramin'ny 10 taona ny sazy ho an'ny raharaha goavana.

Israely – Dingana iray hafa amin'ny fameran'ny governemanta ny habaka

Nodinihina tao amin'ny Knesset tamin'ny 24 Oktobra 2007 ny soso-kevitra ary nolavina nandritra ny fivorian'ny Komity Ara-toekarena tamin'ny 26 febroary 2008. Nisy mpikambana enina hafa nanatevin-daharana ny ezaka nataon'ny MK Miller mba handaniana an'ity volavolan-dalàna ity tao amin'ny Knesset.

Mpandraharaha Slovaky voampanga ho nanome baiko ny famonoana ilay mpanao gazety Ján Kuciak sy ny fofombadiny

"Dingana iray manan-danja izany, ary anisan'ny tsy fahita firy amin'ny famonoana ireo mpanao gazety. Manantena izahay fa hitazona ny fampanantenany amin'ny hitondrana ireo nahavanon-doza rehetra any amin'ny fitsarana ny manampahefana."

Nanangana ny foibeny any Afovoany Atsinanana ny Skype

Anisan'ny tanjon'ny paikady ara-toekarena nasionaly ao Bahrain antsoina hoe 'Vision 2030'  izay ahitana ny rafitry ny fifandraisandavitra sy ny serasera ny fanambarana.

Vietnam: Nosamborina ilay bilaogera Dieu Cay

Nosamborina i Nguyen Van Hai, olon-tsotra mpitati-baovao fanta-daza any an-toerana izay mibilaogy amin'ny anarana hoe Dieu Cay raha niezaka nandamina ireo bilaogera tao an-toerana izy mba hanaraka ny fandalovan'ny afo.

Iran: Natambatra ny sivana 

Nanambara ny manampahefana Iraniana fa ho atambatra ny politikan'ny sivana ao amin'ny firenena. Araka ny filazan'ny manampahefanan'ny Repoblika Islamika,  nahazo ny fifanarahana mba ho tompon'andraikitra amin'ny fanivanana ao amin'ny firenena ny orinasa Iraniana iray, izay tsy nambara ny anarany.

Luis Carlos Díaz, Mpanao Gazety Sady Mpiaro Ny Zon'olombelona Notazonin'ny Hery Fiarovam-panjakana Ao Venezoelà

Taorian'ireo ora maro nanginan'ireo manampahefana, voamarina fa nosamborin'ny Sampam-pitsikilovana avy amin'ny polisy Bolivariàna(SEBIN) i Díaz.

Mbola tazonina hatrany ilay Emirati mpikatroka na dia efa roa taona aza izay no nahavitany ny saziny

Nosamborina noho ny antso hanafahana ireo gadra noho ny fanehoan-kevitra ao amin'ny Emirà i Al-Najjar.

Maro zava-mampanahy amin'ny lalàna Indiana misahana ny vaovao Ara-teknolojia nivoaka taona 2011

Manaraka ny dian'i Shina ve i India eo amin'ny lafiny votoatin-tambajotra foronin'ireo mpisera? Maro no hamaly eny, noho ny famoahana ireo fitsipika ara-teknolojia amin'ny fampahalalam-baovao nivoaka taona 2011.