Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, misahana ny fahafaha-miteny sy ny sivana an-tserasera izy ireto. ·

RSS

Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Janoary, 2018

Manao Fihetsiketsehana Ny Bilaogera Filipiana Hiarovana Ny Tranokalam-Baovao Rappler

"Mijoro manohitra ny fihetsika fampanginana sy fandrahonana ny mpanao gazety, ny bilaogera ary ireo matihanina amin'ny fampitam-baovao izahay satria tsy tia fotsiny ny vaovaony sy ny fomba fijeriny ny Filoha sy ireo mpanohana azy."

Ilay Fahafatesana Tsy Voafaritry ny Fotoana An'ilay Mpanao Gazety Ethiopiana Tany An-tsesitany

Niasa ho mpanao gazety ara-panatanjahantena sy politika nandritra ny efa ho folo taona i Ibrahim, raha tsy hoe voatery nandositra izy tamin'ny taona 2014. Tsy irery i Ibrahim, izay namoy ny ainy teo amin'ny faha-40 taonany.

Mampiseho Fanitsakitsahana Zon'olombelona Any Sahara Andrefana Ireo Mpanatontosa Horonantsary Fanadihadiana Na Dia Eo Aza Ny Fandrahonan'ny Sivana

Mampahafantatra akaiky ny mpijery momba ny fibodoan'ny Maraokana an'i Sahara Andrefana ilay horonantsary .

Netizen Report: Dimy Volana Taorian'ny Fisamboran'ny Houthis Azy, Navotsotra Ilay Bilaogera Mpiaro Ny Zon'Olombelona Hisham Al-Omeisy

Ny Advox Netizen Report dia manome topi-maso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy vaovao malaza amin'ny aterineto manerana izao tontolo izao.

Nanome Baiko Hanakatona Ny Tranonkalam-baovao Rappler Ny Manampahefana Filipina, Voatohintohina Ny Fahalalahan-Gazety

"Raha misy ity fanesorana fahazoan-dalana ity, hikatona tanteraka ny Rappler - fikambanam-baovao sambany hakaton'ny hetsika ataon'ny governemanta hatramin'ny nanambaran'ilay mpanao didy jadona Ferdinand Marcos ny lalàna miaramila tamin'ny taona 1972."

Tamin'ny Taona 2017, Nataon'ny Parlemantan'i Samoa Ho Heloka Bevava Ny Fanalàm-baraka. Ahoana Ny Fiantraikan'izany Amin'ireo Bilaogera sy ny Media Sosialy?

Tsy tokony hanakana ny zon'ny olom-pirenena hiresaka malalaka, sy tsy matahotra ny hogadraina ny ahiahy mikasika ireo bilaogera tsy fantatra anarana.

Nisambotra Mpanao Gazety sy ny Rahalahiny Ny Polisy Nizeriana Noho Ny Lahatsoratra Tsy Nosoratan'izy Ireo Akory

Tsy tokony hiditra an-tsokosoko ao an-tranon'ny mpanao gazety ny polisy ary managadra azy satria fotsiny hoe tsy tia zavatra voasoratra tamin'ny gazety ny manamboninahitra iray.

Tsy Hita Nandritra Ny 150 Andro Ilay Bilaogera Yemenita Mpiaro Ny Zon'olombelona, ​​Hisham Al-Omeisy

Talohan'ny nitazonana azy, niresaka  momba ny fifandonana nitranga tany Yemen nibaribary i Hisham Al-Omeisy.

Noho ny Tsindry Avy Amin'ny Fitantanan-draharaha Momba Ny Aterineto, Hanakarama Mpanaramaos Votoaty Miisa 2.000 Fanampiny Ilay Sangany Amin'ny Fampiharana Fampitambaovao Ao Shina

Tamin'ny herinandro farany teo, niampanga an'ilay fampiharana fitsinjaràna vaovao ho mizara votoaty vetaveta ny lehibe mpandridra aterineto ao amin'ny firenena

‘Raha Tsy Manohitra Ny Jadona Aho, Mbola Olona Ve?': Shinoa Mpikatroka Nohelohina Higadra Valo Taona

Nanomboka tamin'ny 2008 i Wu Gan, fantatra kokoa amin'ny solonanarany “Mpanimbinkena Faran'izay Fatritrany”, no efa navitrika tao anatin'ny faribolan'ireo Shinoa mpikatroka ho an'ny zon'olombelona