Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, misahana ny fahafaha-miteny sy ny sivana an-tserasera izy ireto. ·

RSS

Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Novambra, 2013

Alaa Abd El Fattah , Ejiptiana Mpikatroka Mafàna Fo Nosamborina — Indray

Ny alin'ny Alakamisy teo, tao Kairo, nosamborina tao an-tranony i Alaa Abd El Fattah ilay Ejiptiana mpikatroka mafàna fo sady bilaogera manana ny toerany. Ahian'ireo mpanohana azy ho natao ho fampiharana ilay lalàna vaovao mandràra ny hetsi-panoherana eny an'arabe ao Ejipta ny nisamborana azy

Nankatòavin'ny Antenimieram-pirenena Ny Volavolan-dalàna Mikasika Ny “Tsiambaratelom-panjakana” Ao Japana

Nankatòavin'ny Antenimieram-pirenena ao Japana ny volavolan-dalàna mampifanditra momba ny Fiarovana ny tsiambaratelom-panjakana tamin'ny Talata 26 Novambra na dia teo aza ireo tsikeran'ny mpanao gazety sy ny mpiaro ny zon'olombelona.

Arzantina Sy Ny Teknolojia Vaovao Fanaraha-maso : Manara-maso Ny Fihetsikao Rehetra

Tandremo izay jerenao, izay kasihan'ny tànanao, sy ny fomba famindranao -- mety mijery ny governemanta. Hazavain'i Ramiro Alvarez Ugarte ny fomba hanitsakitsahan'ny rafitra fanangonan-drakitra "biométrique" ao Arzantina ny tsiambaratelon'ny olom-pirenena.

Etiopiana Mpanao Gazety Mihantsy Ny Lalàna Hiadiana Amin'ny Fampihorohoroana

Nametraka fitoriana mikasika an'i Etiopia any amin'ny Kaomisiona afrikana miaro ny Maha-olona sy ny Zon'ny Vahoaka, ireo mpanao gazety anaty aterineto tsy miankina roa. Nitsangana izy ireo hanohitra ny fandikàna vilana ataon'ny fanjakana mikasika ny lalàna hiadiana amin'ny fampihorohoroana izay toa natao hanafoanana ny fahalalahana haneho hevitra.