Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Jona, 2014
‘Sambatra’ Any Thailandy? Ny Fomba Mbola Hanafoanan'ny Fitondrana Mpanongam-Panjakana Ny Demokrasia
Voasivana ny haino aman-jery, mahamay ny Facebook ary na dia ny fiarahabana amin'ny fomban'ny Hunger Game aza dia voarara. Tena "sambatra" ve ny vahoaka Thai eo ambanin'ny fitondrana miaramila?
FANAMBARANA: Mitaky Ny Famotsorana An'ilay Mpampianatry Ny Oniversite Alexander Sodiqov Ny Global Voices
Ny fikambanana Global Voices dia miantso ny famotsorana an'i Alexander Sodiqov, teratany Tajik sy mpianatra doktorà ao amin'ny Oniversiten'i Toronto ary mpanoratra ato amin'ny Global Voices izay nogadraina ao Tadjikistan amin'izao fotoana izao.
Niharan'ny Fanafihana DDoS Goavana Ny Habaka Saika Hampiantrano Fitsapa-kevi-bahoaka Antserasera Ao Hong Kong
Andro vitsy mialoha ny fitsapa-kevi-bahoaka (referendum) antserasera mikasika ny zo hifidy izay karakarain'ny olo-tsotra , niharan'ny fanafihana DDoS mafonja ny sehatra teknika izay nokasain'ireo mpikatroka hampiasaina amin'ity fitsapa-kevi-bahoaka ity.
Baikon'ny Minisiteran'ny Fifandraisan-davitra Ny Mpamatsy Aterineto Hamono Ny Aterineto Amin'ny Faritany Dimy
Mampiseho ny antontan-taratasy tafaporitsaka avy ao amin'ny Minisiteran'ny Fifandraisandavitra fa nanapa-kevitra hanakatona ny aterineto any amin'ny faritany sasany, sy media sosialy any amin'ny faritra hafa ny governemanta.
VAOVAO FARANY: Twitter, Facebook, YouTube Nakatona Ao Iràka
Fampitam-baovao iray ary farafahakeliny orinasa mpanome servisy aterineto iray no nitatitra fa nanome baiko ny hanakatonana ny tambajotran-tserasera ny Minisiteran'ny Serasera, noho ny antony ara-piarovana.
Hametraka Famotopotorana Ny Lafiny Filaminana Eo Amin'ny Vokatra Teknolojika i Shina
Manome fototra araka ny lalàna hoan'ireo manampahefa Shinoa ny politika vaovao mba hanery ireo orinasan'ny teknolojia sy mpamatsy tolotra aterineto mba hanaisotra ireo vokatra "tsy ara-dalàna"-tahaka ny fitaovana fidifiana sivana - eny an-tsena.
Pakistan :Mangataka Ny Hanokafana Ny Youtube Ny Fitsarana Ambony
Fandresena hoan'ny zo nomerika ao Pakistan, Ho setrin'ny fitoriana napetraky ny fikambanana tsy miankina mpiaro ny zo an'aterineto Pakistaney Bytes for All, namoaka didy ny Fitsarana Ambony tamin'ny 13 mey fa tsy maintsy sokafana indray ny Youtube ao Pakistan.
“Mahatsapa Fanapenam-bava Tanteraka Eny Amin'ny Tontolo Aho”: Manjavona Ny Fahalalahan'ny Aterineto Ao Thailand
"Iadiana mafy ny fahalalahana maneho hevitra ao Thailand ... Mety hahatonga anao eny amin'ny fitsarana miaramila ny fitsikerana fotsiny ny Vaomiera."
Snowden, 365 Andro Aty Aoriana: Amin'ny 5 Jiona Hoavy Izao, Lazao Hoe Tsia Amin'ny Fanarahamaso
Efa herintaona sahady izay no nisian'ny ampamoaka nataon'i Snowden. Koa amin'ny 5 Jona hoavy izao, hanatanteraka hetsika, fanerena ny mpanao lalàna ireo mpikatroka ary hikarakara hetsika mivantana hanoherana ny fanarahamaso faobe.
Ny Adin'ny Fanonganam-panjakana Sy Ny Fanapariaham-Baovao Ao Thailand
Miteny ny miaramila fa tsy maintsy hanara-maso ny TV, ny fampielezampeo ary ny aterineto ho toy ny làlana iray hiantohana fa “marina” sy “mahitsy” ny vaovao aparitaka ho an'ny vahoaka.