Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Septambra, 2021
Rosia: Voasakana ilay tranonkala malaza noho ny fitarainan'ny mpiasa
Nosakanan'ny mpanakana ny Antijob, angondrakitra an-tserasera misy ireo fitarainana tsy mitonona anarana momba ireo Rosiana mpampiasa, taorian'ny raharaha fanalam-baraka nanaovan'ny orinasa mpivarotra trano sy tany iray ao Moskoa fitarainana.
Nitsahatra tsy niasa ny tranokalam-baovao The Online Citizen ao Singapaoro rehefa naaton'ny fanjakana ny fahazoan-dalany
Natao hiteraka tahotra ao an-tsain'ireo izay mety ho mpamatsy vola sy mpamandrika ny fitsipika fahazoan-dalana mba hanakanana azy ireo tsy hanohana ny asa fanaovan-gazety tsy miankina any Singapaoro.
Milaza tsy hiasa ao Rosia intsony ny vondrona famoahan-gazety fanadihadiana OCCRP
Nilaza i Drew Sullivan, mpiara-manorina sady lehiben'ny fanoratana OCCRP, fa "manimba kokoa fa tsy manasoa" ireo mpitati-baovao ao Rosia ny asan-dry zareo ao anatin'ny faritra rosiana.
Tranokalam-baovao ao Kazakhstan voarahona rehefa namoaka tantaram-panararaotana zaza tsy ampy taona
Matetika iharan'ny tsindry amin'ny asany ny mpanao gazety any Kazakhstan. Tantara mampalahelo momba ny fandrahonana ankizy ankehitriny no lasibatry ny fandrahonana atao amin'ny mpamoaka vaovao.
#KeepItOn: Ny fiantraikan'ny fandraràna ny Twitter ho an'ny tanora Nizeriana
Sehatra ho an'ny daholobe ifandraisan'ny tanora Nizeriana maro ny Twitter. Niteraka voka-dratsiny ho an'ny orinasan-dry zareo, ny fisoloam-bava ary ny fiainana ara-piarahamonina ny fandraràna.
Mpanao hetsipanoherana ny fanaovana vaksiny, nanao bemidina tao amin'ny haino-vaky-jerim-panjakana, nandrahona mpanao gazety
Voatery ny pôlisy slôveniàna nanaisotra tamin-kery ireo olona roapolo mahery manohitra ny fanaovana vaksiny no sady tsy nanao arotava sy naniratsira mpanao gazety.
Vavahadin-tserasera aterineto ao Kambodza, mety hanamafy ny fanarahamaso sy ny sivana
"...ny fanarahamaso ataon'ny governemanta dia mamboly tontolo anjakan'ny tahotra, manosika ho amin'ny fanivanantena ary manohintohina mivantana ny fahafahan'ireo mpanao gazety sy mpiaro ny zon'olombelona tsy ho afaka hanao antsakany sy andavany ny asany."
Nahazo sazy 18 taona an-tranomaizina ilay mpisera Facebook noho ny famazivaziana ny praiminisitra ao Kambodza
"Hafatra iray mahatonga ireo izay manan-kevitra na fanakianana manorina mifandraika amin'ny olana ara-tsosialy mba hatahotra sy hisalasala ka hametra ny fahafahan'izy ireo maneho hevitra ity didim-pitsarana ity"